Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
601.
Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
niryna
602.
Izay tonga taloha no tompon-tanindrazana
niryna
603.
Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro
niryna
604.
Solafa omen-tehina, potraka omen-kiraro
niryna
605.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
606.
Akohokely latsaka an-kady, hiantso kely feo; hanidina tapak'elatra; hitoetra ihany manina ny reniny.
niryna
607.
Ny kamo fandositra:tsy zovy no ho tratrany fa ny tena ihany.
niryna
608.
andevo tokana amin'andriana :raha tsy matin'iraka, maty voky.
niryna
609.
Toy ny mamoaka omby tokana, vao mitehin-doha dia tapitra.
niryna
610.
Ny ana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafaty raha tsy mahavoa mahafanina
niryna
611.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vany
niryna
612.
Harem-bery foana toy ny menaka ahosim-bazimba
niryna
613.
Toy ny atodin'akanga, ka avela ahafaty raibe, entina ahafaty renibe
niryna
614.
Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
niryna
615.
Izay iray vatsy iray haina.
niryna
616.
Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy.
niryna
617.
Raha hendry hianao dia hendry ho an'ny tenanao ihany, raha maditra hianao dia hianao irery no hiharan'izany
niryna
618.
Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
niryna
619.
Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano.
niryna
620.
Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao.
niryna
621.
Ny antonony sarotra ilaina
niryna
622.
Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay, tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa
niryna
623.
Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
niryna
624.
Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
niryna
625.
Malaza tsy hihinana toy ny viliantsahona
niryna
626.
Aza manao havako raha misy patsa, fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
niryna
627.
Toy ny tain'alika ka ny avo ihany no hivovonana.
niryna
628.
Vorombolo miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay
niryna
629.
Mpaka kofehy nahazo mpangalatra, vonona amin'ny kofehy hamatorana azy.
niryna
630.
Mahay lamba mitafy raha
niryna
Voalohany
Mialoha
19
20
21
22
23
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0131