Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
781.
Ny olona mora soa sy mora ratsy.
niryna
782.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho fa ny lelany hanamandona ny trafony.
niryna
783.
Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
niryna
784.
Aza be siasia toy ny amalona andrano.
niryna
785.
Manao an'Andriamanitra tsy hisy ka mitsambiki-mikipy
niryna
786.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
787.
Aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy.
niryna
788.
Ny fihavanana tsy azo vidina.
niryna
789.
AZa manao fihavanan-karena ka;tomany handratra ny sasany.
niryna
790.
Aza manao tsinay homan'aty.
niryna
791.
Aza manao: tsindrio fa resy;tano fa azo
niryna
792.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
niryna
793.
Ny teny toy ny foosana, ka izay mamono no mamaha.
niryna
794.
Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
niryna
795.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano.
niryna
796.
Miasa jamba rafozana;herim-po very foana.
niryna
797.
Ny ondry boka manaratsy ny namany.
niryna
798.
Tain'angely ka samy manilika ny ambaravarany.
niryna
799.
Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
niryna
800.
Aza manao joko tsoriaka mahasambo-kary
niryna
801.
Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
niryna
802.
Mifankatia amin'ny amalona;ka nony sendra tia, nabolilany
niryna
803.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana.
niryna
804.
Toy ny fandiorano ny ratsy;koa miseho, tsy menatra olona;misitrika tsy valahara.
niryna
805.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
niryna
806.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
807.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty.
niryna
808.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika.
niryna
809.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
810.
Nyfihavanan'ny mamoladahy:tsy mivahana roa taona.
niryna
Voalohany
Mialoha
25
26
27
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0133