Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
niryna
Hampiditra ohabolana
751.
tia ihany ka be malo.
niryna
752.
Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho.Henatra fa tsy hanatra.
niryna
753.
Aza be anatra imaso, fa be fosa ivoho.
niryna
754.
Mpanelanelana sarotra toa tatamo
niryna
755.
Raha tiana ny vady, ny ravozana no tsinjovi-mandefitra
niryna
756.
Aza manao ranomaso afefy heloka.
niryna
757.
Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
niryna
758.
Mangalatra an-tsena ka mihaiky ny ambanilanitra.
niryna
759.
Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
niryna
760.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
761.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
762.
Maimay hivady ka dodona hisaraka.
niryna
763.
Tsy mena-tsy tana toa lakan-jejo
niryna
764.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
niryna
765.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
766.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
niryna
767.
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevina amboa.
niryna
768.
Very an-trano toa fanjaitra.
niryna
769.
Toy ny rivotra an-kadilalana;ny ho avy avy, ary ny tsy avy misesika ihany.
niryna
770.
Ny vato natao hiafenana no namosaka antsoro maina.
niryna
771.
Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
niryna
772.
Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
niryna
773.
Izy main'ny afo natsangany.
niryna
774.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
775.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
776.
Varatra tsy indroa miriatra
niryna
777.
Aza manao vorona azon'adala ;ka na tsy maty aza, mifohafoha volo.
niryna
778.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.
niryna
779.
Mpandrava hefa toa voalavo.
niryna
780.
Ny olombelona toy ny omby;indray mandry fa tsy indray mifoha.
niryna
Voalohany
Mialoha
24
25
26
27
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0136