Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ahay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ahay
Hampiditra ohabolana
61.
Tefin'olona tsy mahay ka tsofa no manamarina azy.
niryna
62.
Ianareo vorona manim-poto-kazo, izahay hazo miandry voron-kitoetra.
aivetinakely
63.
Aza manao bokalahy mahay valiha
sylvoalias
64.
Raha nisakana izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
65.
Raha nisaka izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
66.
Raha hianareo no nisihoka voromanga fa raha izahay no misihoka vorondolo
niryna
67.
Aza midera vady mahay mandihy fa aoka ny sandriny no hilaza azy
niryna
68.
Mpamboly mahavokatra tsy mahay mitantana, koa mandadilady hila hanina any amin'ny mpanao mangazay.
ilanto
69.
Miaka-bokatra tsy mahay mitsitsy, varatr'andro vao miasa tsy homan-kanina.
ilanto
70.
Mahay lamba mitafy raha
niryna
71.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny no hilaza azy
rtol
72.
Aza mahay roa tahaka ny lelan'omby, ka sady ambava no ambody.
aivetinakely
73.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary.
aivetinakely
74.
Tsy misy mahay hatrany an-kibondreniny, fa na ny mitan-tsotro aza ianarana.
aivetinakely
75.
Izay manan-tsira mahay mahandro
aivetinakely
76.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary.
aivetinakely
77.
5zay manatsira mahay mahandro.
niryna
78.
Ny manana omby manana hena, ny manan-tsira mahay mahandro, fa ny manana olon-kendry manana ny ho mpitondra firenena.
aivetinakely
79.
Mpantsaka mahay mandihy, mahay ihany fa ambanin'ny siny.
aivetinakely
80.
Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
niryna
81.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
82.
Mpandihy lava volon-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny
galix
83.
tiam-bady ka mahay miresaka
latina
84.
Mandia tany naleha hoatra ny fanoron'ny tsy mahay
latina
85.
Mitana ny efa, toy ny mpanjaitra tsy mahay
latina
86.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
87.
Tefin'olon-tsy mahay, ka tsofa no manamarina azy
latina
88.
Sokina mita rano, ny tsy mahay indray no mivonkina
latina
89.
Mpatsaka mahay mikabary: hendry ihany fa tsindrian'ny tavim-bilany
latina
90.
Be ihany no mahay Andrianoly, fa izay manga feo ihany no izy.
latina
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0208