Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ampo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ampo
Hampiditra ohabolana
61.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valam-parihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia.
jentilisa
62.
Tokam-po tahaka ny siny: tsy manampo afa-tsy rano.
jentilisa
63.
Vely ampongan'ny Manendy, ny andahiny dobodobohina ny ambaviny kenakenaina.
jentilisa
64.
Valala tsy ampoky ny ahitra ka mifiaka ny antsoro maina.
jentilisa
65.
Tonga tsy nampoizina nasesiky ny razana
JMR
66.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
67.
Ny manambady ny fohy mitahiry tapak'amponga
JMR
68.
Toy ny ray aman-dreny : ny iray niteraka ny iray niampofo
hery
69.
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray andahiny hodobodohohina
hery
70.
Raha nampoizina ho may ny trano na voaka ny entana
vale
71.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
72.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0189