Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hila
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hila
Hampiditra ohabolana
61.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
62.
Hovalahy tsy hendry ka zaza-hova vao hilavo-tena
McFy
63.
Aza miandry mana hilatsaka avy any an-danitra
JMR
64.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
65.
Raha tsy mahalĂ izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
66.
Aza manao soro-baton'ilay jamba efa voa vao mihilana
JMR
67.
Soro-baton'ilay jamba, voa vao mihilana
jentilisa
68.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafĂ ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
69.
Mitari-drano ankilahila ka ny very an-dalana no betsaka
jentilisa
70.
tsy hidera vady mahay mandihy aho fa eo ny sandriny hilaza azy.
jentilisa
71.
Vilany be nandrahoan-kena tsy hilaozan' izay motimotiny ho diso
hery
72.
Tahaka ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3735