Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe sady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
sady
Hampiditra ohabolana
61.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana.
latina
62.
tsodrano tsaka sady mandrora no mandrangotra
Magnifika
63.
Aza manao toy ny lela, ka sady miteny soa no miteny ratsy.
saharoy
64.
Ny nify, sady haingo no fahasalamana
saharoy
65.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
66.
tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra
zouzou
67.
Manao tahaka ny angady ny zarany miosomenanaka sady mijoro nefa ny lelany mioso-potaka sy miady amin'ny tany. Sady tsy hitery omby no tsy hiazon-janak'omby nefa misodika ny herotrafotsiny.
estine
68.
Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatr'olona
doum
69.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
70.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
71.
Tongom-bakivaky sady mahamenatra no maharary
JMR
72.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
73.
Sady maharary no mahamenatra hoatran'ny vay an-kandrina
JMR
74.
Nanasa vahiny tsy tonga, sady voky no afaka adidy
jentilisa
75.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana
Fanja1
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1461