Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe sady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
sady
Hampiditra ohabolana
61.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana.
latina
62.
tsodrano tsaka sady mandrora no mandrangotra
Magnifika
63.
Aza manao toy ny lela, ka sady miteny soa no miteny ratsy.
saharoy
64.
Ny nify, sady haingo no fahasalamana
saharoy
65.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
66.
Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra
doum
67.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
68.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
69.
Tongom-bakivaky sady mahamenatra no maharary
JMR
70.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
71.
Sady maharary no mahamenatra hoatran'ny vay an-kandrina
JMR
72.
Nanasa vahiny tsy tonga, sady voky no afaka adidy
jentilisa
73.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana
Fanja1
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0232