Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tena
Hampiditra ohabolana
61.
Tsy misy manome hevitra tonga lafatra raha tsy ny tenanao ihany
niryna
62.
Ny tena mahery fo dia tsy mitady satroboninahitra
niryna
63.
Fanitsiana kely:Aza mihantsy amboa hanaikitra ny tena
niryna
64.
Hovalahy tsy hendry ka zaza-hova vao hiavo-tena
niryna
65.
kamboty tia toaka ; ny harena lany, ny tena tsy misy mananatra
bobone
66.
mpanefy tokan-tena ka sady mifofotra no mively vy
bobone
67.
Aza mandrimandry manana aretina, fa fotory ny tena marina aminy.
aivetinakely
68.
Varotry ny mananon-tena, raikitra vao tera-kovitra.
aivetinakely
69.
Akoho nikotrika atodi-mamba ka mamelon-doza ho an'ny tena.
aivetinakely
70.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena kosa tafian-damba
niryna
71.
Ny fanantenà na hanam-be matetika no amoizana ny kely ampelan-tanana.
aivetinakely
72.
Aza mba mora azo tahaka ny vehivavy diso fanantenà na.
aivetinakely
73.
Tia olona tsy tia ny tena, aoka hionona hiandry ny rariny.
aivetinakely
74.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
75.
Vidin-dafo tahaka ny zanaky ny mpanana, saingy mora ariana rehefa nandiso fanantenàna.
aivetinakely
76.
Ny fahendrena manalavitra ny famboniantena
niryna
77.
Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may
niryna
78.
Raha mahahitsy ny tenanao hianao dia tsy hanitsy anao intsony ny hafa
niryna
79.
Izay tsy mino afatsy ny tenany irery ihany no miafara amin'ny fisaraham-panambadiana
niryna
80.
Ny olona izay tsy mino afatsy ny tenany ihany dia miaina ao anatin'ny maizina
niryna
81.
Ny tena toetranao ve? Rehefa very avokoa ny maha hianao anao
niryna
82.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
83.
Kely mivaro-tena sady donto no fetsy.
ZEMJOS
84.
Tsy manan-kantenaina tahaka ny maty havana akaiky, Tsy manam-pitsetra tahaka ny maty olo-malala.
aivetinakely
85.
Aza mampanantena volana tahaka ny olona miady fahefàna.
aivetinakely
86.
Ny manantena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
87.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
88.
Akoho nikotri-borona ka nisasatra amin'ny tsy ho an'ny tena.
aivetinakely
89.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana
aivetinakely
90.
Ny herimpo fanary, ny fanantenàna famelona.
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018