Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vava
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vava
Hampiditra ohabolana
61.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
62.
Lasanko-vavany toy ny haron-tabebaka
rtol
63.
Toy ny andevolahy miandry faty, ka izay mahery vava no lohany.
niryna
64.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana
niryna
65.
Vavakisoa misy sira, ka tokinao hihinana azy.
aivetinakely
66.
Rehefa tsy mety ny atao, na ny patsa iray tsy omby vava.
aivetinakely
67.
Volon'akoho lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
68.
Raha adala ka nanandra-tena hianao, na efa nisaina ny hanao ratsy.Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
niryna
69.
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina.Ary omena ny rariny ny ory sy ny malahelo.
niryna
70.
Vavan-kisoa misy sira, tokinao hihinana azy.
aivetinakely
71.
Tsintsina mitondra vonin-tenona ka ny eran'ny vava no entina
aivetinakely
72.
Boka mivavaka, Andriamanitra angatahana indray no ambanana totohondry
katafi
73.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
niryna
74.
Gena miady amin'ny maizina, ka izay mitsika aloha no vaky vava.
hr9296
75.
Milomano mivalana (na miorika) ka manabe vava ny ony
latina
76.
Manasa ny be kibo, ka ny vary no lany, mananatra ny adala, ka ny vava no vizana.
latina
77.
didimaso mitomany, ka ny vava ihany sokafana dia vita
latina
78.
Ny ady tsy tra-mahahery vava
latina
79.
Tana mpamono mpanambitamby, vava mpitezitra mpamalifaly
latina
80.
Raha revom-potaka, rano no manala, raha revon-teny, vava no manala, raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
latina
81.
Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza
latina
82.
Avoavoin'ny vava ka sahalain'ny vintana
latina
83.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
84.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
85.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
86.
gisa lahy homan-ketsa izy mihinana indray no avo vava
latina
87.
Doradora-vava any ivelany fa atao olo-moana ao an-trano
zndriana
88.
Vitsika nahazo valala: zakan'ny aina, fa tsy omby ny vava.
soanja
89.
Ny soa atao sakafo, ny vava ratsy adidy
mbelo
90.
Tsintsina mitondra vonim-bero ka ny eran'ny vava no entina
mbelo
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171