Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
vale
Hampiditra ohabolana
61.
Izay mena valala izay tiana malala
vale
62.
Raha olona iray no tsy tia mitoto koba hatavy
vale
63.
Lasa ny mamba misosoka ny voay
vale
64.
Tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik'alika
vale
65.
Zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
vale
66.
Mamy ny mody
vale
67.
Tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato
vale
68.
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
vale
69.
Tsy mena-mivadika toa andro ririnina
vale
70.
Akanga maro tsy vakin'amboa
vale
71.
Madio ivelany toy ny fasana
vale
72.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
vale
73.
Aza mitsipa-doha ny laka-nitàna
vale
74.
Akoho tsy naneno hatrizay efa lanin'ny kary
vale
75.
Atody tsy miady amim-bato
vale
76.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
vale
77.
Ny firaisan-kina no hery
vale
78.
Ny tendrom-po tsy mba namana
vale
79.
Vary sy rano an-tsaha tsy mifanary an-tanàna tsy mifandao
vale
80.
Mitono tena toa lolofotsy
vale
81.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy ho telina
vale
82.
Mita-be tsy lanin'ny mamba
vale
83.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
vale
84.
Ny vola fitady, ny herim-po fanary
vale
85.
Tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany
vale
86.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0156