Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
vale
Hampiditra ohabolana
1.
fikasana an'olombelona fa ny didy an'andriamanitra
vale
2.
Rafotsibe leom-boan'anana ka tsy tia zava-boribory
vale
3.
teny diso tsy mba kabary
vale
4.
entan-jarai-mora zaka
vale
5.
sakamalaho sy avozo ka samy manana ny hanitra ho azy
vale
6.
ny adidy tsy an'olon-dratsy
vale
7.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany
vale
8.
ramalona aza mifehy azo tokana
vale
9.
izay mahery tsy maody tsy ela velona
vale
10.
Zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana!
vale
11.
Ny soa atao ilevenem-bola fa ny ratsy atao loza mihantona!
vale
12.
Zanaka tiana tsy itsitsiana rotsa-kazo!
vale
13.
Manararaotra toy ny banga mihomehy alina
vale
14.
Izay ela nihetezana hono lava volo
vale
15.
Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso!
vale
16.
Hiragasin'ambany tsena ka izay resy tsy akoraina izay mandresy tsy hobiana!
vale
17.
Tsy misy mamy ohatry ny zanaka fa rehefa manaiki-nono akifika!
vale
18.
Zanaka tiana tsy hitsisiana rotsa-kazo
vale
19.
Joko tsorika maha sambo-kary
vale
20.
Raha nampoizina ho may ny trano na voaka ny entana
vale
21.
Manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana
vale
22.
Kitikitihan'ny marina ka milaza tsy anontaniana
vale
23.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
vale
24.
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha
vale
25.
Omby mahia tsy lelefin'ny namany
vale
26.
Ny ory tsy havan'ny manana
vale
27.
Vero taingenam-pody tsy folaka fa mandefitra
vale
28.
Mahay atsy mahay aroa toa sotrobe lava tango
vale
29.
Soa lavo hahay handeha soa kenda hahay hitsako
vale
30.
Raha tsy dotra tsy miandra
vale
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131