Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
961.
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila
yveratsimb
962.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
yveratsimb
963.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
964.
Maivan-tsaina tahaka ny angidina, akanjo manify no enti-mirehareha.
aivetinakely
965.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
966.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
967.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
968.
Miara-monina amin-dRakalamoana ka ny baiko andratsana no be.
aivetinakely
969.
Izay fatra-panova vady rava harena.
aivetinakely
970.
Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.
aivetinakely
971.
Aza atao hantan-kankana ka tapaka eo ampiolehana.
aivetinakely
972.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
973.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
974.
Vorom-bola miaraka amin'akoho, mialà fa tsy havanay
yveratsimb
975.
Vano am-balam-parihy ihany mantsy aho, ka raha tazanina toa avo dingana, hatonina kely fingotra
yveratsimb
976.
Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody
yveratsimb
977.
Tahaka ny kibon'omby ririnina, ka mitondra tapany lava
yveratsimb
978.
Rafotsibe leom-boanjo ka tain’ondry avy no andosirana
yveratsimb
979.
Ny fitiavam-boangory tsy anenjeham-boantay
yveratsimb
980.
Fihavanan-takatra, ka ory miara mitokiky,faly miara mitokaka
yveratsimb
981.
Aza manao toa ny saka, hiady vao mifampitsodrano
yveratsimb
982.
Raha indray mandeha no misambo-bary ka tsy mahazo, aza mandoro ny fatam-bary
yveratsimb
983.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa poizina mifono ho an'ny hafa
yveratsimb
984.
Ny fahafatesana lalan-kiraisana ihany fa tombon-dalana no an'ny lasa
yveratsimb
985.
Ny alahelo toy ny rahona, raha mavesatra mianjera
yveratsimb
986.
Asesiky ny fitia sy ny hanina azy ka tsy mahalala masoandro ho faty
yveratsimb
987.
Voamena maniho ariary
yveratsimb
988.
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra
yveratsimb
989.
Tafita aloha, alalan' ny aoriana
yveratsimb
990.
Ny hetaheta tsy afa-dronono
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
31
32
33
34
35
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0416