Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
961.
Mahafoy erany ka tsy mahafoy mihintsana
yveratsimb
962.
Hady vory faritan-tsy honenana
yveratsimb
963.
Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo
yveratsimb
964.
Any ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia
yveratsimb
965.
Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo
yveratsimb
966.
Matin-drobon' ny adrisa ka fola-pen' ny aketalahy
yveratsimb
967.
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina
yveratsimb
968.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory ; ka tsara ny mifanaja.
yveratsimb
969.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba ?
yveratsimb
970.
Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany ; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga.
yveratsimb
971.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady, ny velona no tandrovina
yveratsimb
972.
Ny halavoana tsy mahalehibe
yveratsimb
973.
Toy ny tongom-bintsy an'ala, ka madio lavi-drano
yveratsimb
974.
Aza manao an' Andriamanitra azo am-po mandrakariva
yveratsimb
975.
Ny olombelona toy ny embok' akondro : raha manondro ny lanitra, iray ihany ; fa raha miondrika samy manana ny lafiny
yveratsimb
976.
Mody tsy sompatra, kanefa mangalatra ny akondron’ny marary
yveratsimb
977.
Tezitra alohan’ny rariny, ka tsy misy asiana ny hitsiny
yveratsimb
978.
Maro foana toa manam-poza
yveratsimb
979.
Aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana.
yveratsimb
980.
Ny fo tsy mandringa, ka raha mandalo aho mitsidika ihany
yveratsimb
981.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
yveratsimb
982.
Tsy nisy nanao soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho
yveratsimb
983.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana ; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
yveratsimb
984.
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo : tsy maty, fa malazo
yveratsimb
985.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
yveratsimb
986.
Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany
yveratsimb
987.
Sabora raiki-molaly : na manitra aza mangidy.
yveratsimb
988.
«Veloma» tsy mba adidy : sakafo lany tsy mba andraikitra.
yveratsimb
989.
Manasa lamba be tseroka : na madio aza, mangarahara.
yveratsimb
990.
Aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana.
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
31
32
33
34
35
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0142