Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
871.
Ny saboimaro maiva-mavesatra
yveratsimb
872.
Rafotsibe nita rano ka izay hahasoa taovin'Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita
yveratsimb
873.
Jangareny, ka botry anaka
yveratsimb
874.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
875.
Manda lem-body, koa sonzo rano
yveratsimb
876.
Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany
yveratsimb
877.
MIteny ny iray toa novakonina, miteny ny iray toa nampalesina
yveratsimb
878.
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra
yveratsimb
879.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
880.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
881.
Vivy nanitrika ka bongo mason' ny nahiny
yveratsimb
882.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
883.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no izy
yveratsimb
884.
Ron' i Mandiavato ; ny sisa tsy lany anasa-tongotra
yveratsimb
885.
Ilay nahandro vato : raha ny rony dia masaka
yveratsimb
886.
Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra
yveratsimb
887.
Aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may
yveratsimb
888.
May tsy mba homana ohatra ny soitrafo
yveratsimb
889.
Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina
yveratsimb
890.
Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay
yveratsimb
891.
Any Antsahadinta no voky tsaramaso, ka any Ambatolaona no mizihi-kibo
yveratsimb
892.
Aza manao tsingala mahalala ombin-tena
yveratsimb
893.
Mahafoy erany ka tsy mahafoy mihintsana
yveratsimb
894.
Hady vory faritan-tsy honenana
yveratsimb
895.
Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo
yveratsimb
896.
Any ny kipikipy zato vao tonga ny voron-tsara dia
yveratsimb
897.
Mietaketaka foana ny aketa, mirisarisa foana ny adrisa, fa tsy enina anay mitratraingo
yveratsimb
898.
Matin-drobon' ny adrisa ka fola-pen' ny aketalahy
yveratsimb
899.
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina
yveratsimb
900.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory ; ka tsara ny mifanaja.
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
28
29
30
31
32
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0345