Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
871.
Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny hitsiny
yveratsimb
872.
Izay manao ny rariny manao hitsiny
yveratsimb
873.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
yveratsimb
874.
Izay manondro lala-mahitsy mamindra aina
yveratsimb
875.
Ny omby matin’ny taviny, ny hazo matin’ny hitsiny
yveratsimb
876.
Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra
yveratsimb
877.
Ny rariny toy ny hazo mahitsy, tsy hita tsy anaty ala ; ary toy ny nofy tsy azo raha tsy matory
yveratsimb
878.
Tailan-doha manao soro-bilana ka ampihilana ny efa nivilana
Tahminah
879.
Tsy mahafeno riha ty hatake
Momake
880.
Tantele miato fare, mamy ie iatoako, mamy izaho miato aze
Momake
881.
Tsy longo ankarine’e ty laletse, tsy rafe t’ie lavitse ty tantele
Momake
882.
Aza manao ahy sy azy
yveratsimb
883.
Ny hasasarana mahamaloka endrika
yveratsimb
884.
Tsy voavonjin'ny hafa akory fa ny havana ihany no hala-mahatratra
yveratsimb
885.
Mifankatiava ny velona fa ny maty efa tsy namana
yveratsimb
886.
Ny fikambanana no hery
yveratsimb
887.
Ny firaisana no mateza ny fifankatiavana no tady mandrohy azy.
yveratsimb
888.
Ny fahadiovana sy ny filaminana, ny fiasana sy ny fitsitsiana : izay tokan-trano miorina amin'izany tsy mba ho rava
yveratsimb
889.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
890.
Kitapo mora feno ; vady miara-miary.
yveratsimb
891.
Aza manao hoe : " an'ny lehilahy ihany", na hoe " an'ny vehivavy ihany"
yveratsimb
892.
Anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby - Anambadian-ko namana, iterahan-ko solofo.
yveratsimb
893.
Ampanambadiana lasan'olona, omby namidy tsy an'ny tena
yveratsimb
894.
Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry
yveratsimb
895.
Ny fihavanana ohatra ny landy : maty isika, ifonosana ; velona itafiana ; ka ny madilana arahim-panondro.
yveratsimb
896.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady
yveratsimb
897.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana
yveratsimb
898.
Fitia savony, tiana fa avalana rano
yveratsimb
899.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
yveratsimb
900.
Lahy antitra kendan’ovy : tsy atolak’olona, fa matin’ny nasesiky ny tànany
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
28
29
30
31
32
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0252