Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
781.
Aza atao fively aponga ny havana ka ny andahiny gobogobohina fa ny am-bavany lambolamboina
yveratsimb
782.
Na iza hianao na iza dia tsy misy mahasamihafa amin'ny hafa
niryna
783.
Ananao daholo ny zavatra rehetra kanefa hianao mbola mahatsiaro ho singan'irery ihany
niryna
784.
Aza manao valifatin'ilay fo menarana.
niryna
785.
Ny saina zatra mikarokaroka dia vonona mandrakariva manitsy ny tsy mety atao.
niryna
786.
Raha te ho tafita amin'ny fiainana,ny zavatra atao voalohany dia miraiki-pitia amin'ny zavatra ataonao.
niryna
787.
Tadidio fa irery isika amin'ity fiainana ity.
niryna
788.
Mianatra mitia isika avy amin'ny fitiavana ao anatintsika.
niryna
789.
Ny eritreritra dia toy ny papango rivotra ka misidina irery avo dia avo.
niryna
790.
Ny ririn-dasa tsy tsaroana
niryna
791.
Toy ny angidina:atao mahia ,be tratra;atao matavy,kely rambo.
niryna
792.
Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.
niryna
793.
Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.
niryna
794.
Ny olombelona fandri-drano, ka tsy misy avo sy iva.
niryna
795.
Ny ela maha iray ny roa
yveratsimb
796.
Lahiantitra kendam-bodiakoho:mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso,tonga valim-pitia vao voa totohondry an-katoka.
NIAINATOKY
797.
Amboa mitsilany,tsy hanin'ny namany.
NIAINATOKY
798.
zoky toavina tsy andriana ;zandry manoa tsy andevo
nantena3
799.
Bala hamatra ny marina ka tsy azo atifitra toloho
yveratsimb
800.
Ny olona no miady, ny marina no avoaka
yveratsimb
801.
Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina
yveratsimb
802.
Ny marina toy ny afo ka raha kobonina mandoro
yveratsimb
803.
Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny hitsiny
yveratsimb
804.
Izay manao ny rariny manao hitsiny
yveratsimb
805.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
yveratsimb
806.
Izay manondro lala-mahitsy mamindra aina
yveratsimb
807.
Ny omby matin’ny taviny, ny hazo matin’ny hitsiny
yveratsimb
808.
Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra
yveratsimb
809.
Ny rariny toy ny hazo mahitsy, tsy hita tsy anaty ala ; ary toy ny nofy tsy azo raha tsy matory
yveratsimb
810.
Tailan-doha manao soro-bilana ka ampihilana ny efa nivilana
Tahminah
Voalohany
Mialoha
25
26
27
28
29
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0194