Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
721.
Adaladala monina Ankaratra, ka tsy mahalala sahondra ho vaky.
BEDOGAIGY
722.
Adaladala manam-bety, ka izay rehetra hita, venty avokoa.
BEDOGAIGY
723.
Adaladala fiandry trano ka homam-barin-jaza.
BEDOGAIGY
724.
firaisan-kina no hery
danielclaude1
725.
ny fitiavana toy ny ketsa ka mora afindrafindra
Tankapa
726.
Andalovako mora ny ampitso satria ny androany dia ny lasa ihany no miverina.
Savatry2
727.
aleo tantsaha mijoro, toy izay mpanankarena mandohalika
Maherifo
728.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao mahagaga
gagagagagasy
729.
Tranoben'Antananarivo ka izay vita aloha no manenina
Tsiky84
730.
Vita ho azy sahala amin'ny karatr'i Naivo, ny fanjakàna tsy nitaky, i Naivo tsy nanatitra.
aivetinakely
731.
Sola mindran-kety ka mahabe eritreritra
mzuri
732.
Ombilahy be vozona ka tsy mifidy tany hiadiana.
aivetinakely
733.
Ny ditra mameno tanana fa ny nenina mamarina an-kady
ravelobe
734.
vato atora-pody ka tsy matahotra izay vary hihintsana
vonynive
735.
Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra
ODILON
736.
Mena mason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
737.
Aleo kijeja mifampikasoka amin'ahitra toy izay adrisa manampatra elatra mandao.
aivetinakely
738.
aleo manda tsy handeha toy izay manaiky nefa tsy ho lasa
vonynive
739.
NY HERY TSY MALEHONY FANAHY. NY FIRAISAKINA NO HERY.
ANDRIAMENA45
740.
ALEO MIANATRA TSARA HAJANY OLONA TAFITA FIANARANA. TOHIZAY TSY MIANATRA ANEFA AMBAKANY OLONA IZAY TAFITA FIANARANA
ANDRIAMENA45
741.
MANAOVA NY SOA DIENY MBOLA VELON'AINA
ANDRIAMENA45
742.
Izay mahakolokolo no manana ny tsara(ce qui soigne possèdera le bien)
goussy
743.
Andevolahy nahazo fiandrianana ka lanjao aho anio tontolo andro.
aivetinakely
744.
Tsy misy zavan-tsy zaka mihoatra ny fanambadian-tery setra.
aivetinakely
745.
"Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka ny toerany"
MATOKYAH
746.
Tery omby ririnina, atao izay tsy hahabotry ny zanany, kendrena izay tsy hampahia ny reniny.
aivetinakely
747.
Adala manan-janaka ka ny isany avy no anontaniana olona.
aivetinakely
748.
Hendry anaty toy ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany
aivetinakely
749.
"Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy"
201007jacky
750.
aza matahotra ny halavan'ny tohatra fa manahia ny tsy fahasahianao hiakatra
vonynive
Voalohany
Mialoha
23
24
25
26
27
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0266