Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
691.
Aingaingain-kazera, toy ny fively fandraka.
BEDOGAIGY
692.
Aina ity hoy Rainimanonja.
BEDOGAIGY
693.
Ahoana no reraka am-pototry ny sompitra?
BEDOGAIGY
694.
Ahoana izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy.
BEDOGAIGY
695.
Ahitra no nanafintohina, ka ny tokonana no haetry!
BEDOGAIGY
696.
Afo lavitra tsy azo amindroana.
BEDOGAIGY
697.
Afoizo aho raiko tsy hiasa, hoy ny taim-piraka.
BEDOGAIGY
698.
Afatotra maninton-tady, ampandehanina tsy afaka.
BEDOGAIGY
699.
Afa-nenina hoatry ny manabady momba manala ratsiaina.
BEDOGAIGY
700.
Afa-nenina hatrany an' ala lava, ka hatrany an' ala fohy.
BEDOGAIGY
701.
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.
BEDOGAIGY
702.
Afa-baraka toy ny vomanga an-tan`ana, fa ny akoho no avy mihehy.
BEDOGAIGY
703.
Ady varotry ny mananontena, ka raikitra vao toran-kovitra.
BEDOGAIGY
704.
Ady tsy tra-mampahery vava.
BEDOGAIGY
705.
Ady tsy tra-maha-Rangahy.
BEDOGAIGY
706.
Ady tsy ahi-mahatratra.
BEDOGAIGY
707.
Ady lova, ady fananana, fa tsimbino ny fihavanana.
BEDOGAIGY
708.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
709.
Adrisa tsy ampoky ny ahitra angaha aho no hifiaka izay antsoro maina.
BEDOGAIGY
710.
Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.
BEDOGAIGY
711.
Adin-kisoa no misy atolak' orona.
BEDOGAIGY
712.
Adin-kisoa, ka samy mandoa vory ihany na ny resy na ny maharesy.
BEDOGAIGY
713.
Adin-kisoa, ka poritra vao manasa vangy.
BEDOGAIGY
714.
Adin-jamba ka izay vonona no afitsoka.
BEDOGAIGY
715.
Adin' akoho vorom-bato : ny resy torotoro, ny mahery disadisaka.
BEDOGAIGY
716.
Adidinao tsy namangy fa ny aretiko sitran-tsy miody.
BEDOGAIGY
717.
Adala vady renianaka, ka mirakitra an-karon-doa-body.
BEDOGAIGY
718.
Adalan-kaotra ka zary hazaka.
BEDOGAIGY
719.
Adaladala toa zokim-bomanga : ny lehibe indray no mihosin-davenona.
BEDOGAIGY
720.
Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.
BEDOGAIGY
Voalohany
Mialoha
22
23
24
25
26
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0287