Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
631.
Afa-nenina hatrany an' ala lava, ka hatrany an' ala fohy.
BEDOGAIGY
632.
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.
BEDOGAIGY
633.
Afa-baraka toy ny vomanga an-tan`ana, fa ny akoho no avy mihehy.
BEDOGAIGY
634.
Ady varotry ny mananontena, ka raikitra vao toran-kovitra.
BEDOGAIGY
635.
Ady tsy tra-mampahery vava.
BEDOGAIGY
636.
Ady tsy tra-maha-Rangahy.
BEDOGAIGY
637.
Ady tsy ahi-mahatratra.
BEDOGAIGY
638.
Ady lova, ady fananana, fa tsimbino ny fihavanana.
BEDOGAIGY
639.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
640.
Adrisa tsy ampoky ny ahitra angaha aho no hifiaka izay antsoro maina.
BEDOGAIGY
641.
Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.
BEDOGAIGY
642.
Adin-kisoa no misy atolak' orona.
BEDOGAIGY
643.
Adin-kisoa, ka samy mandoa vory ihany na ny resy na ny maharesy.
BEDOGAIGY
644.
Adin-kisoa, ka poritra vao manasa vangy.
BEDOGAIGY
645.
Adin-jamba ka izay vonona no afitsoka.
BEDOGAIGY
646.
Adin' akoho vorom-bato : ny resy torotoro, ny mahery disadisaka.
BEDOGAIGY
647.
Adidinao tsy namangy fa ny aretiko sitran-tsy miody.
BEDOGAIGY
648.
Adala vady renianaka, ka mirakitra an-karon-doa-body.
BEDOGAIGY
649.
Adalan-kaotra ka zary hazaka.
BEDOGAIGY
650.
Adaladala toa zokim-bomanga : ny lehibe indray no mihosin-davenona.
BEDOGAIGY
651.
Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.
BEDOGAIGY
652.
Adaladala monina Ankaratra, ka tsy mahalala sahondra ho vaky.
BEDOGAIGY
653.
Adaladala manam-bety, ka izay rehetra hita, venty avokoa.
BEDOGAIGY
654.
Adaladala fiandry trano ka homam-barin-jaza.
BEDOGAIGY
655.
firaisan-kina no hery
danielclaude1
656.
ny fitiavana toy ny ketsa ka mora afindrafindra
Tankapa
657.
Andalovako mora ny ampitso satria ny androany dia ny lasa ihany no miverina.
Savatry2
658.
aleo tantsaha mijoro, toy izay mpanankarena mandohalika
Maherifo
659.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao mahagaga
gagagagagasy
660.
Tranoben'Antananarivo ka izay vita aloha no manenina
Tsiky84
Voalohany
Mialoha
20
21
22
23
24
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0327