Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
751.
mety hanao fahadisoana ny olona fa tsy midika izany fa olon-dratsy izy
vonynive
752.
Zakao amim-pitiavana toy ny alahelon'akoho ny ezaka izay atao, fa na voahosihosy aza ny lamosina, na voatsaingotsaingoka aza ny loha, ny adidy amin'ny taranaka mba vita ihany.
rainisalama
753.
Boka nangala-kitoza, nanala kàka vao ady mamay.
Andokely
754.
Sepotry ny nataony toy ny totozikely nangetotra an-davenina
Andokely
755.
Aviavy toy ny amany vao maraina.
Andokely
756.
Kely ila nagala-badin'olona, nahazo ihany fa tsy afa-nitsoaka!
Andokely
757.
"fitia tsy tanteraka tsy maharatsy fihavanana"
alfantomas
758.
"Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala
TOKYTK
759.
Haren-dany tsy manitra intsony
aivetinakely
760.
Mitovy tanjaka otran ny tongotr alika ka tsy fantatra izay tena mahery.
niaina07
761.
Ankatso sy Ambohidepona hono no mifankahita fa tsy mba miresaka, mifampitazana tsy mba mitafa, ny maraina mifampilongilongy ny hariva mifanakona aloka.
aivetinakely
762.
Na ho lasa aza moa ny ririnina , ny zaza tsy teraka tsy azo foraina.
aivetinakely
763.
Fohy mamonjy lanonana ka rehefa rava vao hita.
aivetinakely
764.
"Izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona"
MATOKYAH
765.
Lanilany fahatany ohatran'ny volan'ny mpisotro toaka
MATOKYAH
766.
"Naniry zaza ka tera_dahy"
MATOKYAH
767.
"Zaza nilaozan_tsakaiza ka milalao vovoka irery"
MATOKYAH
768.
Mpamosavy malemy ka ny ao an_trano indray no haripaka
MATOKYAH
769.
"Tsara ny roa nohon'ny iray, ny hevitry ny maro mahataka_davitra"
MATOKYAH
770.
"Ny fikasana antsika olombelona fa ny lahatra dia an'Andriamanitra"
MATOKYAH
771.
"Loharano tsy tetezin_doha, ny mita be tsy lanin'ny mamba"
MATOKYAH
772.
"Izay mahavangivangy tia havana, ny hava_tiana tsy vangia_matetika"
MATOKYAH
773.
Toy ny ondry mirao-bilona ka izay tratry ny tady no anaranana fo
aivetinakely
774.
Ataovy toy ny volana ny fiarahabana ka raha tsy fenomanana tsy ajanona
aivetinakely
775.
"Boka misaka foza ka vao mainka manesika azy ao an_davaka"
MATOKYAH
776.
"Firaisan_kina no hery, izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika"
MATOKYAH
777.
"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy"
MATOKYAH
778.
Tapa-tenda ohatra ny mpampiasa jiro tsy nahaloa vola.
oely89
779.
Mpiatsara ivelatsihy mody madio ohatra ny ranon'i Masay.
oely89
780.
Andriana mifamofo amin'andevo ka maniry midina toa volo-kelika
oely89
Voalohany
Mialoha
24
25
26
27
28
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0928