Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
841.
Aleo ambany toetra,nefa manana mpanompo iray,Toy izay mihambo ho be voninahitra,nefa tsy manan-kohanina akory.
FENOSOA2
842.
Aza manw toy n fo ka rehefa tia vao taitaitra.
FENOSOA2
843.
Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano.Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady
FENOSOA2
844.
Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay ny harem-bevava azo amin'ny ts rariny
FENOSOA2
845.
Toy ny rano sy ny vary, mifameno hatraiza hatraiza
yveratsimb
846.
ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina
yveratsimb
847.
Be faniry, kely fila; ny vary aloha tsy ataon' ny kamo
yveratsimb
848.
Aza manao fihavanan-javona, ny andro ihaonana toa tsy hisaraka fa raha misaraka dia lasan-davitra
yveratsimb
849.
Aza atao fively aponga ny havana ka ny andahiny gobogobohina fa ny am-bavany lambolamboina
yveratsimb
850.
Na iza hianao na iza dia tsy misy mahasamihafa amin'ny hafa
niryna
851.
Ananao daholo ny zavatra rehetra kanefa hianao mbola mahatsiaro ho singan'irery ihany
niryna
852.
Aza manao valifatin'ilay fo menarana.
niryna
853.
Ny saina zatra mikarokaroka dia vonona mandrakariva manitsy ny tsy mety atao.
niryna
854.
Raha te ho tafita amin'ny fiainana,ny zavatra atao voalohany dia miraiki-pitia amin'ny zavatra ataonao.
niryna
855.
Tadidio fa irery isika amin'ity fiainana ity.
niryna
856.
Mianatra mitia isika avy amin'ny fitiavana ao anatintsika.
niryna
857.
Ny eritreritra dia toy ny papango rivotra ka misidina irery avo dia avo.
niryna
858.
Ny ririn-dasa tsy tsaroana
niryna
859.
Toy ny angidina:atao mahia ,be tratra;atao matavy,kely rambo.
niryna
860.
Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.
niryna
861.
Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.
niryna
862.
Ny olombelona fandri-drano, ka tsy misy avo sy iva.
niryna
863.
Ny ela maha iray ny roa
yveratsimb
864.
Lahiantitra kendam-bodiakoho:mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso,tonga valim-pitia vao voa totohondry an-katoka.
NIAINATOKY
865.
Amboa mitsilany,tsy hanin'ny namany.
NIAINATOKY
866.
zoky toavina tsy andriana ;zandry manoa tsy andevo
nantena3
867.
Bala hamatra ny marina ka tsy azo atifitra toloho
yveratsimb
868.
Ny olona no miady, ny marina no avoaka
yveratsimb
869.
Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina
yveratsimb
870.
Ny marina toy ny afo ka raha kobonina mandoro
yveratsimb
First
Previous
27
28
29
30
31
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0135