Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1141.
Fofon'ahandro ny aina, raha sokafana dia lasa
yveratsimb
1142.
Aleo manontanitany foana hihomehezana, toy izay manaonao foana hitezerana
yveratsimb
1143.
Mieritrereta tsara fa raha lava ny tanety , misy fisainana
yveratsimb
1144.
Tsy mba ny alika manao baranahiny, fa ny kary no mandry amim-pively
yveratsimb
1145.
Tsy manan-kamidy ka manontany, vary dimiventy ka avezivezy
yveratsimb
1146.
Ny zaza hambo, tsy an'ny tena
yveratsimb
1147.
Ny vava : tapaka fa tsy namana
yveratsimb
1148.
Aza atao fitia miharo avona
yveratsimb
1149.
Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo, ary jiolahy manan-trano ka sarotra atao olon-dratsy
yveratsimb
1150.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
1151.
Omena mody voky, nefa mangala-pihinana ihany
yveratsimb
1152.
Raha mahay mitaingin’ampondra, fa raha tsy mahay mitangina ampombo
yveratsimb
1153.
Na tsara nify anoloana aza tsy hitsako mialoha ny vazana
yveratsimb
1154.
Zandry am-piterahana, fa zoky amin-kevitra
yveratsimb
1155.
Tsy asiana mizana tsindrin’ila na atao atody mafana ila
yveratsimb
1156.
Raha zaza tsy hilalao, mitoera ho isan’ny tanora. Raha tanora tsy hiasa, mitoera ho isan’ny antitra. Raha antitra tsy hitafasiry, mandehana ho razana, ary raha razana tsy hitahy, fongary hihady vomanga
yveratsimb
1157.
Raha lasa ny mamba, tonga ny voay, raha lasa ny tsara tonga ny soa
yveratsimb
1158.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
1159.
Ny hitsikitsika tompon’ny dihy, ny Vivy tompon’ny rano, ary ny ray aman-dreny no tompon’ny fitenanana
yveratsimb
1160.
Natao hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery mipaoka akohokely
yveratsimb
1161.
Lambo mandia hosy ka manaraka ny efan’ny omby
yveratsimb
1162.
Ho toy ny voatavo, tanora voatsongotsongo, antitra voabatabata
yveratsimb
1163.
Aza mitondra entan-tsy voafehy
yveratsimb
1164.
Adala toa zokim-bomanga, ny lehibe indray no hosen-davenona
yveratsimb
1165.
Tsy ny tany no fady, fa ny vavan'ny olona
yveratsimb
1166.
Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa miletra ny masiso be herinandro
yveratsimb
1167.
Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova ihany
yveratsimb
1168.
Tanora tsy mandray ravin-dena, ka fotsy volo vao miloloha sobiky
yveratsimb
1169.
Tantely sy akondro, tafaray samy mamy, sakamalao sy sakay, tafaray samy mafana
yveratsimb
1170.
Ny zaza no tia rairay, dia ny lehibe no fangalarina
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
37
38
39
40
41
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0144