Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1201.
Manao toha i tambarimbarigne; ty mitoha ro minday raha raty (Ohabolana Antandroy)
Rejoake
1202.
Raha hijoro mangavoka toa valanirana, aleo mipetraka amin'ny anaran-kazo.
GEHTRIVAC
1203.
Ny fihavanana hono toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava azy mialoha no kely ila.
GEHTRIVAC
1204.
-Mitonantonana hotran'ny vinanto tsy mahare fosa, vao eny ambaravarana dia efa mitsiky vendrana
danbal
1205.
Misavoamboana hoatran'ny tay entin-driaka
danbal
1206.
-Dedaka tonga rafozana, akoho iray no vonoina ka famaky no tadiavina
danbal
1207.
-Ranom-potaka aza manonja, ka mainka izany fa ranomasina
danbal
1208.
-Indray mandeha no manana patsa indray mahandro ka milaza tsy orin-daoka
danbal
1209.
Mahandro manao mantamanta, mitono manao lozidozitra, ka ny atao ihany no mankarary.
danbal
1210.
- Haingo diso an'Iarivo, havalony hateza
danbal
1211.
Sola miondana fanoto ka tafaray samy malama
njivo
1212.
na haiko aza ny fanafodim-balavo, de zaho tsy hamehe hena an-tsiky
DEDAKE
1213.
la engao aho ho terake amany hoy ny tsaboketsa, toy izay zaho tsy hitsaboky
DEDAKE
1214.
Tehatehaka ny an'i Ambodisiny fa Ambohimalaza no tompon'ny gora
Niankohofana
1215.
Hanina enti-matory; hirahira raha sendra tsaroana.
zonia
1216.
Ny vola tahaka ny mpivarotena; tsy mahalala fahanterana ; tsy mahalala havizanana.
zonia
1217.
Rajako manao palitao haitraitra fa tsy fandrosoana
milofo
1218.
Aza matory tsy manana eritreritra
niryna
1219.
Tsy misy tsara hoatra ny fanambadiana mifanaraka
niryna
1220.
Mitombo an-dalana hoatra ny dian'andriana.
niryna
1221.
Ratsy tarehy ambinin-doza ka mikarakara vao tsara.
niryna
1222.
Ny ho avy dia ho an'ireo izay efa namisavisa sy nieritreritra izany
niryna
1223.
Tsara ny mahay zavatra iray noho ny mahaihay zavatra maromaro.
niryna
1224.
Tsy misy afaka anome torohevitra tsara ho anao raha tsy hianao irery ihany
niryna
1225.
Aza midoka-tena ,aleo ny hafa no hiteny izany.
niryna
1226.
Sihanaka voadakan'omby,ka matin'ny hasarotan-dronono.
niryna
1227.
Aza manao takorobabon'akoho:ny iray fisiam-potsimbary,ary ny iray fisian'akotry.
niryna
1228.
Ataovy toy ny toetr'andro ka na iza manome tsiny dia tsy miova izy.
niryna
1229.
Ny hazo tapahina manam-pototra, ny hazo vakina misy ilany, ny teny atao misy farany.
niryna
1230.
Aza manositosika ny tsy manombika
niryna
First
Previous
39
40
41
42
43
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144