Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1201.
Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana
yveratsimb
1202.
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana
yveratsimb
1203.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena
yveratsimb
1204.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
1205.
ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
yveratsimb
1206.
Afo mandoro, sady sakaiza no fahavalo
yveratsimb
1207.
Manatsafa mahita toy ny mpaka afo
yveratsimb
1208.
Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, ny vody lanin'ny moka tsy heverina
yveratsimb
1209.
Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy
yveratsimb
1210.
izay iray vatsy, iray aina
yveratsimb
1211.
teny malemy mahamora fihavanana
yveratsimb
1212.
Fitia lamban'akoho ka aina no fetra
yveratsimb
1213.
Aza manao fitia rano trambo : be fihavy, ka mora lasa
yveratsimb
1214.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana, toy ny fary lava vangy
yveratsimb
1215.
Ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra
yveratsimb
1216.
valala mbola an-danitra ka asian-tsira
yveratsimb
1217.
Akoho tsy naneno ohatr'izay lanin'ny kary
yveratsimb
1218.
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary
yveratsimb
1219.
Sarotra tadiavina ohatran'ny Sinoa rastà .
Kotozafy2012
1220.
Latsaka anaty toy ny vavaky ny moana
DARInts
1221.
Mitsaha-menomenona hoatra ny vary sosoa voatondraka.
niryna
1222.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela
niryna
1223.
Ny fahazarana no lasa toetra ka fikiro izay fahazarana tsara.
niryna
1224.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
1225.
Ny soa fianatra,ny lasa no mampianatra ny ho avy .
niryna
1226.
Aza mandany andro mijery ny lasa.Ny ho avy no banjino.
niryna
1227.
Amin'ny fihainoanao ny hafa dia efa mankahery azy hianao .
niryna
1228.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
1229.
Sendra masaka tokony hihinana Avy tsy asaina nasesiky ny razana.
niryna
1230.
Aza miteny hoe tsy vitako io ,manana finoana fa vitanao io
niryna
Voalohany
Mialoha
39
40
41
42
43
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0248