Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe atao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
atao
Hampiditra ohabolana
121.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
122.
Ny fanompoana aza atao andran-drano: ka raha marivo hotsobohina, ary raha lalin-kihemorana.
soanja
123.
Nahoana no atao terak'ombin'Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka no ampinonoina?
soanja
124.
Iza no mahalala izay bokan'Inamehana? fa izay matanjaka no atao isan-jato.
soanja
125.
Zaza-hova tsy enin'arahaba, ka mahatsiaro ny asa natao.
soanja
126.
Ny anankiray natao hoe " andevo namidy", ny anankiray natao hoe " nifindra fihinanana", ary ny anankiray natao hoe " andevo tsy fiompy"; ary ny anankiray natao hoe " andevon-drazana"
soanja
127.
Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy.
soanja
128.
Rahe hety ny atao, hazondrano tonga andevo.
soanja
129.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
130.
Tsy ny sakafo any no maharaikitra ny dia , fa ny veloma atao.
soanja
131.
Sodokan'ny atao mandrosoa ka miantsampy eny ambony kitay.
soanja
132.
Varavarana iva tatao, ka tsy idiran'ny mpianjonanjona.
soanja
133.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
134.
ny resaka raha tsy atao foana ny mamerina azy no tsy efa
kiriah
135.
Hazondrano natao satroka, ka ahohoka, feno, atsilany, feno.
soanja
136.
Ombalahy nihehy votry, ka kimavon'ny nataony.
soanja
137.
"Ataovy toy ny siotsiokan' ny mpifankantia, ny tena mihonona ny hafa mihonona"
mpoon
138.
Aza atao toy ny boka mangalam-pihinana, ka lany andro eo ampilalaovana sarom-bilany.
ainamitia
139.
Ny fitiavantsika dia ataontsika toy ny torimason'ny jamba ka faty no isarahana
DEDAKE
140.
Atao mahery gny vato, fe lafa tsy mivola angeream-boro
DEDAKE
141.
Tolo fa natao zao toy, ka mamihy avao tegna ndre ambany.
sadranga
142.
Aza atao toy ny mpatsaka am-bovo, ny mpamangy mototra ny vangiana mitanatana vava
Rapha
143.
Matin'ny nataony toy ny totozikely nangetotra an-davenona.
andokely
144.
Vola natao fandofosana ka manana anarana hafakely isam-poko.
aivetinakely
145.
Lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy
niryna
146.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
147.
Aza atao fitiavan'tsotro, rehefa ilaina vao tadiavina
Crionlas
148.
Ny haja tsy fivarotra, ny lela tsy fatao jono, fa ny fitia famboraka.
aivetinakely
149.
Ataovy toy ny dian'ny tanalahy ny fiainana, mandroso in-droa dia mihemotra in-dray mandeha
niryna
150.
ataovy toy ny sira ny fitondrana havana, mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana fa ny havana no lelafin-katelina
bobone
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0213