Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
JMR
Hampiditra ohabolana
121.
Izay tonga aloha no tompon-tanindrazana
JMR
122.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
123.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana
JMR
124.
Mitovy ny tsy manana sy ny tsy manaja
JMR
125.
Ny mitelin-kafatra mahabe kibo
JMR
126.
Nalain-kanirina vao namandravandra
JMR
127.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
128.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena anarina
JMR
129.
Ny zaza toy ny rano am-pasika, izay amiliana azy no andehanany
JMR
130.
Aza manao vato manoha-riana
JMR
131.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
132.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
133.
Ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay iray hamarara
JMR
134.
Vato natsindry ahazana ka tsipy no valim-pitia
JMR
135.
Ny ela nihetezana lava volo
JMR
136.
Aza be famaritra toa rambon'osy
JMR
137.
Ity vao tay fa vokatra ny vomanga
JMR
138.
Izay mahasahy maty no mifono lambamena
JMR
139.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
140.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
141.
Ny lasa tsy manao veloma naman'ny tezitra
JMR
142.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
143.
Sady maharary no mahamenatra hoatran'ny vay an-kandrina
JMR
144.
Aza manao vain-drahalahy tsy mba marary
JMR
145.
Aza manao lalan-kita-kisoa
JMR
146.
Ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo
JMR
147.
Aza manao hata-piso
JMR
148.
Aza manao didin'ny be sandry
JMR
149.
Banga manoaka, hita mbamin'ny havokavony
JMR
150.
Ny mamerina indroa manana ny antitra
JMR
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0217