Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
JMR
Hampiditra ohabolana
151.
Aza miandry mana hilatsaka avy any an-danitra
JMR
152.
Aza manao ariary zato am-pandriana
JMR
153.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra
JMR
154.
Halaviro hoatran'ny fasam-bao
JMR
155.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa ny valin-kitsaka
JMR
156.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra izay lohany sy vodiny
JMR
157.
Te hanana ny lohany nefa matahotra ny masony
JMR
158.
Ny vola no maha-Rangahy
JMR
159.
Aza manao kely tsy mba mamindro
JMR
160.
Aza mifaly tsy afa-tavony
JMR
161.
Aza miloloha rano roa siny
JMR
162.
Tsobo-dranon-dRamiangaly
JMR
163.
Aza manao mizana tsindriana ila
JMR
164.
Ny mahery tsy maody tsy ela velona
JMR
165.
Tsy zokiny fa zanak'antitra : vato namelan-kafatra
JMR
166.
Aza mifampidera tain-dalitra fa samy zanakin'ny mpamoron-kira
JMR
167.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
168.
ny dobo tsy hita no mahamanina
JMR
169.
Ny ela maha-iray roa
JMR
170.
Ny torimaso no itovizana amin'ny mpanankarena
JMR
171.
Izaho ve no voky ka hianao no mantsin-drezatra?
JMR
172.
Ny toerana nahavokisana tsy ipetrahana ela
JMR
173.
Mahaiza manararaotra fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
JMR
174.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
175.
Hariva an-tanin'olona toa vitsika momba kitay
JMR
176.
Rafotsy be mangetotra an-tsena : laza no tadiavina!
JMR
177.
Ny alika no miverina amin'ny naloany
JMR
178.
Raha noana ny nofo mivezivezy ny fanahy
JMR
179.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hiady vomanga
JMR
180.
vorondolo mitera-boromanga
JMR
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125