Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe andro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
andro
Hampiditra ohabolana
151.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
152.
Aza avela ho tratry ny hatezerana akory ny andronao
niryna
153.
Tsy azo atao ny mifidy anatrehan'ny volana na masoandro fa ny iray fanilon'ny aizina, ny iray fitariky ny mazava.
aivetinakely
154.
Aza atao toy ny vato tsindry ahazana, ka raha maloka ny andro atsipiny.
niryna
155.
Izay maniry ny hipetraka eny amin'ny masoandro dia efa tokony hiereritrirtra ny zava-mandoro azy sahady
niryna
156.
Ny tsiny dia tahaka ny valan'omby tomerin-draketa : ka asakasak'izay te hankahatra loza, fa raha tsy hivoa-drà amin-tsilo aza tsy hamelan'i Menasanga marani-tandroka.
ontsy
157.
Ny lala-nahapotraka omaly, tsy andalovana intsony androany.
aivetinakely
158.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
159.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny taninandro.
aivetinakely
160.
Androngo manetsa ka mandro matetika vao mavo lamosina.
aivetinakely
161.
Androngo nangataka ka ny mody no ady.
aivetinakely
162.
Izay tia rafozana mitsinjo ny rahampitso, izay malay vady mandrava ny androany.
aivetinakely
163.
Manalasala karaha valy-vao lava-hy, Atao aloha, mivagniky amin'olo hafa, Atao afara, atahora tso no hagnekitsy, (handromotsy)...!
sylvoalias
164.
Aza tsy sahy andro toa renivitsika
niryna
165.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
166.
fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby anaran-dray tsy satry
elyzo
167.
Akanga tapa-kelatra amoron'ala hoe ka:handroso tsy afaka, hiverina manin-kavana
sylvoalias
168.
Aza lany andro amin'ny amboa tsa ho vola fa ny saka valo ariary(ohb.betsileo)
sylvoalias
169.
rafotsibe namozafy zafikely, voky hena herinandro fa ringi-bolo heritaona
zanakantitra
170.
Rangahibe no tratr'andro:Rafotsibe no nanadala azy.
niryna
171.
Rafotsibe maty andron'andriana sady tsy aty no tsy any Ambondrom-be.
aivetinakely
172.
Ny volana manakona masoandro no miteraka aloka sy haizina, fa ny masoandro be lohataona no manome hazavàna ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
173.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
174.
Misy andro tokony hanginana, ary misy fotoana tokony hitenenana, toy ny katsaka ela nihantonana sy tsaramaso ela nihahazana, ka miandry ny fotoana hitsiriany.
aivetinakely
175.
Sola tsy noratraina, hono, ny akanga, menaloha tsy voadidy ny akoholahy, ary ny tandroka tsy niala tamin'ny loha omby, tsy takaitra fa voajanahary.
aivetinakely
176.
raha ho eny Mahamasina ve tsy hahatsinjo ny anjelin'Anosy, raha mandalo an'Analakely ve tsy hahatazana ny famantaran'andron'ny gara sy Faravohitra.
aivetinakely
177.
Aza manao toy ny famantaranandron'ny gara ka hafa ny ivelany hafa ny anatiny.
aivetinakely
178.
Manahirana ny mamoha ny mpianankavy indrindra ny andro maraina.
niryna
179.
Tsy mena-mivadika tahaka ny andro ririnina
aivetinakely
180.
Araraoty ny andro hanaovan-tsoa fa zava-poana izao rehetra izao
niryna
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
8
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0357