Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2461.
Harem-bery foana, toy ny menaka ahoso-Bazimba
latina
2462.
raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy
latina
2463.
Mpamosavy nalevina an-dalana, ka ny valin-kitsaka no miverina
latina
2464.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana.
latina
2465.
itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
latina
2466.
Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro
latina
2467.
Mpamosavy mandalo fasam-bao: zava-panao ka tsy aritra
latina
2468.
aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy
latina
2469.
Potraka am-baravarana toa mpamosavy
latina
2470.
manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.
latina
2471.
Sikidy soa tsy andihirana, sikidy ratsy tsy taniana
latina
2472.
Tarehy ratsy nataon-janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
latina
2473.
aza mandika ny soan-janahary
latina
2474.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
2475.
Tsy mandidy alohan'andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina.
latina
2476.
Na dia manarona akoho aza, raha mby amin'ny omen'Andriamanitra dia manana.
latina
2477.
haitraitr'olombelona, zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy
latina
2478.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
2479.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
2480.
Tsihy be lambanana ny ambanilanitra
latina
2481.
Ny olombelona tsy miditra am-pitarihan-tokana
latina
2482.
Ny adalan'ny hafa iomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba
latina
2483.
Boka managala-pary, ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
latina
2484.
gisa lahy homan-ketsa izy mihinana indray no avo vava
latina
2485.
Mpianadahy mita rano samy tompok'henatra
latina
2486.
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
latina
2487.
Janga reny ka botry anaka
latina
2488.
Ny tokatrano toy ny tranon-dandy, ao anatiny vao manatevina
latina
2489.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra mangidy tsy telina
latina
2490.
Raha zanaka tsy tia, miteraha mba hahita
latina
Voalohany
Mialoha
81
82
83
84
85
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0277