Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2371.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
2372.
Ombivavy no marary, ka ombilahy no saram-panàfana
latina
2373.
Dradran'Isoamanaraka: asian'ody vao mitatra
latina
2374.
aza manao fanafodin-dRabetsiafindra: mahay ho an'ny olona, fa tsy mahay ho an-tena
latina
2375.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
2376.
Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
latina
2377.
sotrobe volo: sady fanilo no fandoarana
latina
2378.
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
latina
2379.
Sady tia bory no tia mana-tandroka
latina
2380.
Zana-balala tsy mahatratra ny lanitra
latina
2381.
Mikapoka amalona am-bovo, misakana ny mbola ho avy
latina
2382.
Mpaka rofia nahazo mpangalatra, vonona ny kofehy hamatorana
latina
2383.
vorondolo miaraka amin'akoho: mitaha fa tsy mba havanay
latina
2384.
aza manao fody lahy mena, sady mandraka no homana
latina
2385.
Vato natora-mamba: ny notorahana tsy nipoitra, ny naotraka tsy niseho
latina
2386.
Aza manao fierin-kanin-jaza: ny an-tanana, ariana, ny am-bava aloa.
latina
2387.
Ady misy hena, ka izay mamoy no liana
latina
2388.
Ny toerana no tsy lavorary, ny trano atsimo sy avaratra no mifanaratsy
latina
2389.
hendry miady amin'adala, ka havizanana no hita
latina
2390.
Mitolona anaty rano ka samy lena
latina
2391.
Tandremo ny hanan-drariny, fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saro-mifanaikitra.
latina
2392.
Tsingala sy dinta: raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, atambo.
latina
2393.
Tsy mba haikaika hifanaovana ity, fa tsontsori-mamba hisarahana
latina
2394.
Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa
latina
2395.
Tsikovoka sy fandiorano: volo no iraisana, fa ny fomba samy manana
latina
2396.
Toa tatamo am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika, tezitra, miara-mihodina.
latina
2397.
aza manao kitapo hamelana lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka.
latina
2398.
Miaraka amin'ny ferena ka ny tsara fanahy no maimbo
latina
2399.
aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana
latina
2400.
Ny teny ierana tsy mba loza
latina
Voalohany
Mialoha
78
79
80
81
82
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0248