Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2521.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
2522.
Volamena latsaka am-bovoka, ka tsy avelan'ny masony tsy hamiratra.
aivetinakely
2523.
Badolahy mian-tsena ka siramamy no atoraka amboa.
aivetinakely
2524.
Milanja loha tsy mitondra mody tahaka ny alika miantsena.
aivetinakely
2525.
Zaza vonton'anatra ka manao mbay làlana an-tsena.
aivetinakely
2526.
Aza atao toy ny tahom-boanjo nahitàna fa ataovy tahaka ny reny ka tototry ny valim-babena.
aivetinakely
2527.
Kibo nitondra, malahelo amin'ny zavabitika indrindra.
aivetinakely
2528.
Aza mampanantena volana tahaka ny olona miady fahefàna.
aivetinakely
2529.
Ny manantena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
2530.
mitsaga-mihemotra toy ny lelon-jaza
Raherizo
2531.
manao ny tay tsy ho maimbo ka mangery misalobona
Raherizo
2532.
Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary, tsy mahay informatique mahay mikabary
Raherizo
2533.
saro-tadiavina toy ny sinoa ngita volo
Raherizo
2534.
saka banga miondan-kena
Raherizo
2535.
dedaka ohatry ny saka mangery, ka ny tay totofana fa ny vody tsy firana
Raherizo
2536.
Rajako mampinono zaza, tsy hoe fandrosoana fa fomban-drazana.
aivetinakely
2537.
Ataovy toy ny dian-tana ny fiainana, atrehina ny aloha, todihina ny afara.
aivetinakely
2538.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
2539.
Tsy misy kely tahaka ny vitsika fa rehefa miray hina mahavita trano.
aivetinakely
2540.
Miova sata miova andriana, manova vady manova filan-kevitra.
aivetinakely
2541.
Very vola, very voninahitra
aivetinakely
2542.
Tsy ahoako akory izay masoandro raha ianao jiro keliko ampy hanazàva ahy.
aivetinakely
2543.
Manary vady tanora manome zara ho an'ny sasany.
aivetinakely
2544.
Vary zato naharon'ny sompitra, ny fiaviany no nahasamihafa azy.
aivetinakely
2545.
Dedaka famindra tahaka ny akoho, kanefa rehefa manitsaka sahafa lavo ihany.
aivetinakely
2546.
Na tsara aza ny anam-bazaha tsy atakalo ny anatrakan-drazana.
aivetinakely
2547.
Lehilahy maka vady zaza kambana ka izay maka aloha no manenina
aivetinakely
2548.
Ny miady tsy mifamahan-tantely
aivetinakely
2549.
Ny voangaly no maty amin'ny hazotokana fa ny lehilahy tsy maty amin'ny ampela iray.
aivetinakely
2550.
Kamolahy be tenda, ka mangatak'andro hamerenan-trosa.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
83
84
85
86
87
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172