Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2461.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
2462.
Volamena latsaka am-bovoka, ka tsy avelan'ny masony tsy hamiratra.
aivetinakely
2463.
Badolahy mian-tsena ka siramamy no atoraka amboa.
aivetinakely
2464.
Milanja loha tsy mitondra mody tahaka ny alika miantsena.
aivetinakely
2465.
Zaza vonton'anatra ka manao mbay làlana an-tsena.
aivetinakely
2466.
Aza atao toy ny tahom-boanjo nahitàna fa ataovy tahaka ny reny ka tototry ny valim-babena.
aivetinakely
2467.
Kibo nitondra, malahelo amin'ny zavabitika indrindra.
aivetinakely
2468.
Aza mampanantena volana tahaka ny olona miady fahefàna.
aivetinakely
2469.
Ny manantena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
2470.
mitsaga-mihemotra toy ny lelon-jaza
Raherizo
2471.
manao ny tay tsy ho maimbo ka mangery misalobona
Raherizo
2472.
Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary, tsy mahay informatique mahay mikabary
Raherizo
2473.
saro-tadiavina toy ny sinoa ngita volo
Raherizo
2474.
saka banga miondan-kena
Raherizo
2475.
dedaka ohatry ny saka mangery, ka ny tay totofana fa ny vody tsy firana
Raherizo
2476.
Rajako mampinono zaza, tsy hoe fandrosoana fa fomban-drazana.
aivetinakely
2477.
Ataovy toy ny dian-tana ny fiainana, atrehina ny aloha, todihina ny afara.
aivetinakely
2478.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
2479.
Tsy misy kely tahaka ny vitsika fa rehefa miray hina mahavita trano.
aivetinakely
2480.
Miova sata miova andriana, manova vady manova filan-kevitra.
aivetinakely
2481.
Very vola, very voninahitra
aivetinakely
2482.
Tsy ahoako akory izay masoandro raha ianao jiro keliko ampy hanazàva ahy.
aivetinakely
2483.
Manary vady tanora manome zara ho an'ny sasany.
aivetinakely
2484.
Vary zato naharon'ny sompitra, ny fiaviany no nahasamihafa azy.
aivetinakely
2485.
Dedaka famindra tahaka ny akoho, kanefa rehefa manitsaka sahafa lavo ihany.
aivetinakely
2486.
Na tsara aza ny anam-bazaha tsy atakalo ny anatrakan-drazana.
aivetinakely
2487.
Lehilahy maka vady zaza kambana ka izay maka aloha no manenina
aivetinakely
2488.
Ny miady tsy mifamahan-tantely
aivetinakely
2489.
Ny voangaly no maty amin'ny hazotokana fa ny lehilahy tsy maty amin'ny ampela iray.
aivetinakely
2490.
Kamolahy be tenda, ka mangatak'andro hamerenan-trosa.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
81
82
83
84
85
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0487