Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
2401.
Any milefona omby hianao, aty mively rano
niryna
2402.
Aza manao vono-moka
niryna
2403.
Tsy mba ny manta ho tohazana aho fa ny masaka efa mihintsana
niryna
2404.
Ny fihavanana hoatra ny landy, maty isika famonosana, velona itafiana ka ny madilana arahi-panondro.
niryna
2405.
Fatra-piahy mpamosavy, fatra-pifehy fangalarina
niryna
2406.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
niryna
2407.
Very Ivoara ka tondraka Ivarahana
niryna
2408.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fideràna bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
2409.
Sitran-tsy miody tahaka ny tonga olon-tiana.
aivetinakely
2410.
Androngo niani-bato, ka ny kibo arovana indray no may alohan'ny lamosina.
aivetinakely
2411.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
2412.
Tojo rafozam-bavy masiaka, ka ny mivoaka mitsiotsioka no fanafodiny.
aivetinakely
2413.
Badolahy fisadoha, ka ny hafetsena sisa isintonam-behivavy.
aivetinakely
2414.
Keliloha mitavona menaka ka safotra mbamin'ny handrina.
aivetinakely
2415.
Kely mivaro-tena sady donto no fetsy.
ZEMJOS
2416.
Belamaody tsy ampy sakafo ka aleo miakanjo toy izay noana.
ZEMJOS
2417.
Mpikarajia tsy mahay azerty vola lany raha tadiavina tsy hita.
ZEMJOS
2418.
Aza midongy sehatra toy ilay ratsy feo mihira, fa na mamalana aza misy mitehaka.
ZEMJOS
2419.
Tsy lahatra akory ny habadoana fa ny loha tsy atao fitoera-tsakotra fotsiny.
ZEMJOS
2420.
Vato mikodia ka mandositra ny lobolobo niafenana.
aivetinakely
2421.
Manintona maso tahaka ny vehivavy fotsy, fa tsy mahatsindry ny manjamanja.
aivetinakely
2422.
Ny alika enjehina fa ny saka mianika hazo.
aivetinakely
2423.
Manao loham-balala ka misarika ny tainy.
aivetinakely
2424.
Tapotapoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
Manatsiala
2425.
Tapotapohan'ny manam-pahaizana ka eny Ankatso avy no mitondra solaitra
Manatsiala
2426.
Tapotapohan'ny Jerosalema ka manao lakoroa bozaka
Manatsiala
2427.
Rafotsibe leon-tsokina ka vodi-kifafa avy no itsoahana
Manatsiala
2428.
Rafotsibe leon-drakena ka tanimena avy no atahorana
Manatsiala
2429.
Raha mianjera ny siny an-doloha, dia ny mpanatatao no kotsa mialoha
Manatsiala
2430.
Mpivaro-drano tratr'orana ka tratry ny nataony ihany.
aivetinakely
First
Previous
79
80
81
82
83
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171