Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2341.
Boky nahitàna soa, tsy voapirina fa iondanana.
aivetinakely
2342.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
2343.
Tsikovoka antanety, mitanina andro vao manafohy fiainana;
aivetinakely
2344.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
2345.
Vidin-dafo tahaka ny zanaky ny mpanana, saingy mora ariana rehefa nandiso fanantenàna.
aivetinakely
2346.
Tovovavy miteraka tsy am-panambadiana, mitombo isa vao mihem-bidy.
aivetinakely
2347.
Aza odian-tsy hita toy ny longoa mitoto-bozaka, fa ianao ihany no voafandrika.
aivetinakely
2348.
Toky natao tamin'adala ka mampihahaka ny miafina.
aivetinakely
2349.
Pirina kiboatà, ny loko màvana maro mpitia fa ny kibo be no tsy nahalany match.
aivetinakely
2350.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta.
aivetinakely
2351.
Na mitoetram-bitsika aza aho, mahay miara-monina amin'arivony.
aivetinakely
2352.
Mahandrasa fa rehefa lasa voangory aho, hitazantazana anao.
aivetinakely
2353.
Tsy ho abado mandrakizay aho ka harian-dia amindramatoria lava.
aivetinakely
2354.
Mpamosavy tra-nenina fa ny vady nanafenan-javatra no lasa nody mandry aloha.
aivetinakely
2355.
Midofaka ranomanitra, ka ny fofona no manintona fa tsy ny endrika.
aivetinakely
2356.
Aza misafidy eo anoloan'ny akoho sy atody, fa tsy fantatra marina izay taloha.
aivetinakely
2357.
Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony.
aivetinakely
2358.
Fatra-pifidy ny tsara ka ny noraisina tsy azo, ny tan-tanam-botsotra.
aivetinakely
2359.
manalasala tahaka nybe taona mandoko volo jerena eo aloha toa miketron'andrina jerena ao afara toa demozely maintso volo
bobone
2360.
Antomondava toy ny fandrosoana
niryna
2361.
Salasala toy ny tongotry ny mpanihika sady manosika no mamerina
niryna
2362.
Raha maty aho mateza rahavako
niryna
2363.
Aza atao fandraka antoan'im-pively aho
niryna
2364.
Aza manjaitra atody vaky na mamaky akotry ka mitady tombony vao maika an-tombony
niryna
2365.
Atoraka indroa, ohatran'ny mpinona an-tanan-doza
niryna
2366.
Azo homamaina toy ny tsofaben'Andohalo
niryna
2367.
Tsy mba vorombazaha na akanga amidy aho ka entina amin'ny sangany
niryna
2368.
Tsy mitsahi-tsy andempona toy ny vato mikodiadia
niryna
2369.
Toy ny landim-boatavo ny olombelona ka raha fotorana iray ihany
niryna
2370.
Maro amin'ny tantely no maty ao anatin'ny tanteliny
niryna
Voalohany
Mialoha
77
78
79
80
81
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.028