Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2671.
Mpandany ny azo toy ny zaza mpandova
kanto1
2672.
Toy ny fanahin jaza manjazana
kanto1
2673.
Lehibe vao miana poto tsarika ka sahirana
kanto1
2674.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
kanto1
2675.
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vori-damba rehefa antitra
kanto1
2676.
Manaram po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
kanto1
2677.
Manaram po fahazaza ka misoron afo fotsy volo
kanto1
2678.
Tsibotry isika naraka ihany ka adrisa indray ve vao hifanary.
aivetinakely
2679.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
2680.
Ampingam-pihara-bolamena sy tahonanganalam-bolafotsy : izay maharesy iravahana, izay mananda isampinana
ontsy
2681.
Aza manampa-kevitra ao anatin'ny fatahorana
niryna
2682.
Aza avela ho tratry ny hatezerana akory ny andronao
niryna
2683.
May ny tanana raha mandalo Ramaka
niryna
2684.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
2685.
Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika
niryna
2686.
Raha mihavana aminay, aza milela-tanana
niryna
2687.
Sitraka enti-matory ka valian-draha mahatsiaro
niryna
2688.
Aleo vandana imaso, toy izay vandana ivoho
niryna
2689.
Mihoatra ny tokonana tsy afaka, ka mihoatra ny rindirna vao afaka!
niryna
2690.
MItaitay ho any Ilafy ka tsy misy mpanontany raha mby any Ambohitrarahaba
niryna
2691.
Izay sahy nintsy mitsobo-drano fa izay sahy maty mifono lambamena.
aivetinakely
2692.
Jamba miteraka zanaka tsara, ka tantarao ahy ny toe-tr'endriny.
aivetinakely
2693.
Tsy azo atao ny mifidy anatrehan'ny volana na masoandro fa ny iray fanilon'ny aizina, ny iray fitariky ny mazava.
aivetinakely
2694.
Vehivavy tsara, tsy very mandeha.
aivetinakely
2695.
Ny vady jerijery, ny rafozana fanambina.
aivetinakely
2696.
Ny tain'omby voavadika tsy misy mpaka no mariky ny fandriam-pahalemana.
aivetinakely
2697.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta, ka maty mora tsy ananan'olona antra.
aivetinakely
2698.
Sasa-miaina tahaka ny angavo kany mpahary azy indray no tondroana vody.
aivetinakely
2699.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana.
aivetinakely
2700.
Ny mahidy no lany be
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
88
89
90
91
92
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0916