Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2701.
Ela nanidinana andriam balala, ka tapaka ny elany.
kanto1
2702.
Toy ny kalon antitra, ka tomany no farany.
kanto1
2703.
Mandroroa toy ny mason antitra.
kanto1
2704.
Tsy avelan ny ela tsy ho antitra.
kanto1
2705.
Iri mahory, toy ny volo fotsy.
kanto1
2706.
Aza mitaitay ho sola, fa vato no lolohavina.
kanto1
2707.
Ny sola malahelo tsy mba Rangahy.
kanto1
2708.
Aza manao famakiloha anaty katsaka: ka izay mitranga Rangahy avokoa.
kanto1
2709.
Aza manao tahon katsaka am body fahitra, ka izay miposaka mena somotra daholo.
kanto1
2710.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha.
kanto1
2711.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
2712.
Tovolahy tsy mahalala ho an tena, sakafon alika gaigy.
kanto1
2713.
Tsy mety raha ny lehilahy lehibe misitsioka foana, nefa tsy mety raha very sioka.
kanto1
2714.
Tanora be sondrotr aina, ka ho faty alohan ny marary.
kanto1
2715.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty
kanto1
2716.
Vary manta jinjana: tsy manam po izay ho faty, fa ny manao no mahery
kanto1
2717.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
2718.
Ny ankizy no manao tsingeringerina ka ny lehibe no fanina
kanto1
2719.
Voa mirindra, voa miandalana, ka izay mahatsangy no zaza
kanto1
2720.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
kanto1
2721.
Toy ny tovolahy mahita fotsiymbary, ka Arotsahy, arotsahy ihany
kanto1
2722.
Mpandany ny azo toy ny zaza mpandova
kanto1
2723.
Toy ny fanahin jaza manjazana
kanto1
2724.
Lehibe vao miana poto tsarika ka sahirana
kanto1
2725.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
kanto1
2726.
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vori-damba rehefa antitra
kanto1
2727.
Manaram po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
kanto1
2728.
Manaram po fahazaza ka misoron afo fotsy volo
kanto1
2729.
Tsibotry isika naraka ihany ka adrisa indray ve vao hifanary.
aivetinakely
2730.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
89
90
91
92
93
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0281