Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2701.
matikambo ohatran'ny saka, ny tay totofana nefa ny vody tsy firana
mimi79
2702.
Mandoa in-droa tahaka ilay marary vavony mankany amin'ny dokotera, ny aretina efa mampandoa, ny vola tsy maintsy haloa
Bocassa
2703.
Araben'Antananarivo, na malalaka aza tsy azo ivalaparana
Bocassa
2704.
Gila maso mangata-bady, ny zanany no angatahana ka ny reniny no atao tsara tily.
Bocassa
2705.
Faly sahirana tahaka ilay bevohoka nanao kamaban-telo, ny kibo nitoerana antonina ihany fa ny nono omena no tsy ampy
Bocassa
2706.
voanemba mitsipika anjoro, tsy very fa maka toerana
tsonaneh
2707.
Fa ny vita dia tantara ary ny tantara vita tsy famerina
ratoul
2708.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka nde hikaikitra omby mitsangana
ratoul
2709.
Tampotampoim-pahasoavana ka hibaby kisoa mita rano
ratoul
2710.
Saro-tiana toa landy mohaka:ka tiana vao misaritaka
niryna
2711.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka
niryna
2712.
Tsy misy mafy toy ny raibe mijery ny zafikely hanarina
niryna
2713.
Toy ny manao soa vahiny ka raha voky izy :dia ilaozany mody.
niryna
2714.
Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
niryna
2715.
Aza manaiky be toy ny Tsaravoninahitra
niryna
2716.
Tsy mahaleo mora, hoatra ny mpantsaka
niryna
2717.
Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao.
niryna
2718.
Aza mandatsa vorona azo.
niryna
2719.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra
niryna
2720.
Aza atao toy ny vato tsindry ahazana, ka raha maloka ny andro atsipiny.
niryna
2721.
Ny tompon'alahelo leo ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
2722.
kely idiran'angano ohatry ny sage femme efa diplome vao mangarona
dadou
2723.
KELY MIAMBOZONA ADIDY OHATRY NY SALAKA KA MIZAKA NY TSY HERAN'NY AINA
dadou
2724.
Tanora mamboly hazo, misy hialofana rehefa lehibe
elyzo
2725.
Aleo alan'Andriana toy izay alam-bahoaka
elyzo
2726.
Voanemba nipitika an-joro, tsy very fa maka toerana
elyzo
2727.
Manan-jara ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
2728.
Kely mandevim-be ka mizaka ny tsy eran'ny aina.
Rold
2729.
be nangy miray fandriana ka ny ambony indray no tery
dadou
2730.
Efa ho lava tahaka ny lakolosin'i Faravohitra !
ontsy
Voalohany
Mialoha
89
90
91
92
93
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3264