Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2791.
Mangahazo mangidy malemy ka hanina amin'ny lemim-panahiny
niryna
2792.
Ny anatra tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana andatsa, toy ny fanafody aorian'ny fahafatesana
niryna
2793.
Aleo miady toy izay mankany Ankaratra tsy misy olona
niryna
2794.
Aza mifonoka amban'ny maimbo
niryna
2795.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
2796.
Aza afangaro ny ny lalao sy ny zava-bita
niryna
2797.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
2798.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
2799.
Mpandihy lava volohelika, mahay ihany fe misy tsininy.
aivetinakely
2800.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny taninandro.
aivetinakely
2801.
Vorondolo monina an-tanàna haolo, tsy nangalatra fa tsara fonenana.
aivetinakely
2802.
Boka maimay hanam-bady, ka na ny tanana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
2803.
Teny Aina, izay manapa-teny manapak'aina.
aivetinakely
2804.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
2805.
Ny terehy no andRahiratra fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
2806.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
2807.
Androngo manetsa ka mandro matetika vao mavo lamosina.
aivetinakely
2808.
Androngo nangataka ka ny mody no ady.
aivetinakely
2809.
Ny fiainana tahaka ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
2810.
Fahavaratra mangidy fa ny an-tsaha tsy tonga, ny an-tanàn-dany.
aivetinakely
2811.
Miharihary tahaka ny kary am-pamoloana.
aivetinakely
2812.
Ny vanja tsy manda afo, ny afo tsy manda kitay
niryna
2813.
Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian'ny soa
niryna
2814.
Aza mamono reny toa vary ratsy
niryna
2815.
Ny vavy Ranirina, ny lahy Ratsimisitoazy
niryna
2816.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
2817.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva
niryna
2818.
Aza manao toto vomangan-dRangahy ka ny malemy ihany no velezina
niryna
2819.
Miharihary toy ny vay an-kandrina
niryna
2820.
MIharihary toy ny kary am-pamoloana
niryna
Voalohany
Mialoha
92
93
94
95
96
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1504