Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2791.
Ireo izay nahavita dian-tongotra lavitra dia nanomboka ny dingana indray mandeha aloha vao tonga tany
niryna
2792.
Ny zanaka toy ny tanan'akanjo:atsipy, eo an-damosina;asavily ao an-damosina ihany
niryna
2793.
Raha adala loholona, dia adala vahoaka
niryna
2794.
Vao maika very fotoaana ireo izay tsy mahandry tantana
niryna
2795.
Iray ihany aho ka tsy afaka manao ny zavatra rehetra, tsy manda anefa fa afaka manao izay vitako sy tratrako ihany koa
niryna
2796.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
2797.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
2798.
Maro no be fitetika fa vitsy no tonga amin'ny tanjona
niryna
2799.
Toy ny vazaha matim=basy ka matin-javatra nataony
niryna
2800.
Vavolombelon'ny mpiaasa ny bainga voavadika
niryna
2801.
Izay maniry ny hipetraka eny amin'ny masoandro dia efa tokony hiereritrirtra ny zava-mandoro azy sahady
niryna
2802.
Marain- tsy lasan-davitra hoatra ny akoho.
niryna
2803.
Ny fahatokisana amin'ny zavatra atao diaefa fantatra ao anaty alohan'ny fahafantarana ny zavatra mitranga
niryna
2804.
Ambolo bitaka.ambolo matavy :zavatra tsy hay tsy azo ibitabitahana.
niryna
2805.
Mitsangan-kitondra ny tenin'Andriana tahaka ny tompomenakely voairaka.
ontsy
2806.
Mitsangan-kamiratra tahaka ny lahinjiro.
ontsy
2807.
Mitsangan-kandindona tahaka ny andrintany.
ontsy
2808.
Mitsangan-kamingana tahaka ny vatan-kazo.
ontsy
2809.
Malaza ho vy nefa tsy mahafolaka zozoro.
ontsy
2810.
Malaza ho setroka nefa tsy mihoa-bovonana !
ontsy
2811.
Toy ny zaza nomena ontsy ka dia nihinana.
ontsy
2812.
Malaza ho zanak'andriana nefa tsy mbola niaka-drova.
ontsy
2813.
Anaran-tsy very tahaka ny anjelimaintin'Anosy
ontsy
2814.
Manan-jara mantsy ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
2815.
Faniriana ny an-dRaivotatamo : raha mba vadiko, hono, Rainizafinime !
ontsy
2816.
Ny tsiny dia tahaka ny valan'omby tomerin-draketa : ka asakasak'izay te hankahatra loza, fa raha tsy hivoa-drà amin-tsilo aza tsy hamelan'i Menasanga marani-tandroka.
ontsy
2817.
Aza manantena tsy misy toy ny manantena lovan-rafozan-doza.
dziana
2818.
Ny alahelon-drabe hambo-po nampangain'ny masony bongo, nahitsokitsoky ny sentony malefaka.
dziana
2819.
Faly sahirana toa ilay boka nangala-boatavo
dziana
2820.
miala maina toy ny avy nandevina alika, ny mpamangy tsy misy ny ho vangina tsy misy
dziana
Voalohany
Mialoha
92
93
94
95
96
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0695