Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2881.
Izay anjakan'ny fitiavana tsy anjakan'ny haizina
DMX
2882.
Misalasala aho, fa te-handefitra manana ny rariny, te-hanadino ny lasa nefa ny ratrany mbola tsy sitrana.
aivetinakely
2883.
Ny zaza fanomezana ka izay manana maro no tsy mahatsapa ny hasaro-bidiny.
aivetinakely
2884.
Vady tsy lasam-bodiondry, sady tsy ara-dalàna no tsy toloram-pahefàna.
aivetinakely
2885.
Aza malady hofana tahaka ny amalon-kely fa tsy maha-ela velona izany.
aivetinakely
2886.
Mazava ampidirana fa maizina ampivoahana tahaka ny vovo.
aivetinakely
2887.
Izay tia rafozana mitsinjo ny rahampitso, izay malay vady mandrava ny androany.
aivetinakely
2888.
Ny lambo mena hena fa matanjaka, ny kisoa madio hena fa malemy modaka
aivetinakely
2889.
Izay tia tsy mihaino resaky ny any ivelany.
aivetinakely
2890.
Manalasala karaha valy-vao lava-hy, Atao aloha, mivagniky amin'olo hafa, Atao afara, atahora tso no hagnekitsy, (handromotsy)...!
sylvoalias
2891.
Kely fisaky(bota-kely), agnaty posin'akanjo, lavitsy ny maso fa agnilan'ny fo.
sylvoalias
2892.
Na matsiro aza hoe ny trondro, ny aty tsy atao jono.:-.!
sylvoalias
2893.
Manalokaloka toy ny razana tsy hitahy.
sylvoalias
2894.
Ka manao hatia lahin-tsihotsy! (ohb. sakalava)
sylvoalias
2895.
Katrafay lavitsy tsy mahalomba fery!
sylvoalias
2896.
Afo lavitsy tsy amindroa!
sylvoalias
2897.
Hetahetan'olo tsy ihinanam-boay ahy!
sylvoalias
2898.
Matikambo tahaka ny saka, ny tay totofana ny vody tsy firana
fanodosy
2899.
Tsy misy handrambesa azy karaha kobay feno tay.
sylvoalias
2900.
Tovozy mibororoaky ka raha babaky(sajoa) loaky.
sylvoalias
2901.
Ranovory ritsy tsy maferignay kapiky(sokaky)!
sylvoalias
2902.
Somonga somonga fa tsongo la ta ky maharary
sylvoalias
2903.
Aza be rehereha ohatry ny rambon'osy ka lanitra tsy hianjera avy no tohanana.
rivoS
2904.
ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahory
elyzo
2905.
Tsara tarhy petakorona, voatondro iray ny tsininy
elyzo
2906.
Torahana ny lesoka, mahana ny petak'orona
elyzo
2907.
Donak'afon'Analakely ka tonga dia any any ambovonany.
sylvoalias
2908.
Mivalibaliky karaha lela may.
sylvoalias
2909.
Hazo abo mora hitan-tsioky.
sylvoalias
2910.
Sandra lo ro voan'angady.
sylvoalias
Voalohany
Mialoha
95
96
97
98
99
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0179