Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
2851.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
2852.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
2853.
Mpandihy lava volohelika, mahay ihany fe misy tsininy.
aivetinakely
2854.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny taninandro.
aivetinakely
2855.
Vorondolo monina an-tanàna haolo, tsy nangalatra fa tsara fonenana.
aivetinakely
2856.
Boka maimay hanam-bady, ka na ny tanana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
2857.
Teny Aina, izay manapa-teny manapak'aina.
aivetinakely
2858.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
2859.
Ny terehy no andRahiratra fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
2860.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
2861.
Androngo manetsa ka mandro matetika vao mavo lamosina.
aivetinakely
2862.
Androngo nangataka ka ny mody no ady.
aivetinakely
2863.
Ny fiainana tahaka ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
2864.
Fahavaratra mangidy fa ny an-tsaha tsy tonga, ny an-tanàn-dany.
aivetinakely
2865.
Miharihary tahaka ny kary am-pamoloana.
aivetinakely
2866.
Ny vanja tsy manda afo, ny afo tsy manda kitay
niryna
2867.
Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian'ny soa
niryna
2868.
Aza mamono reny toa vary ratsy
niryna
2869.
Ny vavy Ranirina, ny lahy Ratsimisitoazy
niryna
2870.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
2871.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva
niryna
2872.
Aza manao toto vomangan-dRangahy ka ny malemy ihany no velezina
niryna
2873.
Miharihary toy ny vay an-kandrina
niryna
2874.
MIharihary toy ny kary am-pamoloana
niryna
2875.
Ny fifaliana dia lalana andalovana fa tsy fiafarana
niryna
2876.
Tokony hitondra elo izay maniry ny orana ho avy
niryna
2877.
Poritsy ankavoria zao hoe..., ligniry tsy mahatoboky, ro sady very hevitsy...: -hilay... matahotsy tsy ho tera-tay. -hitoboky...gny raha fa antomotsy. -handeha moramora... moa gny tany fiboaha lavitsy...
sylvoalias
2878.
Ze mangily mihaotsy,
sylvoalias
2879.
Ndre masiaky gny voay, tsy homa gnanaky.
sylvoalias
2880.
Tambotriky antanimena tsy vazay ndra kely hena!
sylvoalias
Voalohany
Mialoha
94
95
96
97
98
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0311