Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
2941.
Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo
latina
2942.
Tsy misy tsara oahtra ny fanmbadiana mifanaraka
latina
2943.
Ny mitovitovy dia mivady, ny kely sy lehibe dia mianaka
latina
2944.
fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany
latina
2945.
zava-tsy zaka ny fanambadian-tery setra
latina
2946.
aza manao levenam-bola tandrifin'ny masoandro
latina
2947.
aza manao ombilahin'Ihosy: ampiadin-tsy miady, ampihosen-tsy mihosy, hanin-kena mafy hena, avela ihany, manoto ny madinika.
latina
2948.
Mahita volana alohan'ny biby
latina
2949.
vorom-potsy mitaingina an-kazo vokoka: ka izaho nitsirika azy no voatsiriny
latina
2950.
Matin-drobon'ny adrisa, ka fola-pen'ny aketalahy
latina
2951.
manakodia vato, dia ikodiavany koa
latina
2952.
mpanjono lasa-mamba, ka samy maka ny tiany.
latina
2953.
Aza homehy lavo, fa ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.
latina
2954.
izay manao ratsy: raha tsy malazon'ny andro, mantsasaky ny alina.
latina
2955.
Mpanakalo rano tratr'orana, ka enjehin'ny zavatra ataony.
latina
2956.
Ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy enjehin'ny nataony
latina
2957.
matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro
latina
2958.
Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony
latina
2959.
vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiny
latina
2960.
Lolo fotsy mitono tena ka matin'ny nahim-pony
latina
2961.
Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena
latina
2962.
nahoana no tompon-tany mantsaka ranom-potaka?
latina
2963.
mamatotra akoho an-kady ka mankasika ny kary
latina
2964.
Milomano mivalana (na miorika) ka manabe vava ny ony
latina
2965.
aza manetriketrika ny an'olona, fa rehefa masaka batain'ny tompony
latina
2966.
voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina
latina
2967.
Tefi-vilian-dRainiraony: ny an'olona novonjeny, ka ny an'ny tena no atao tofefi-katoka
latina
2968.
Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana
latina
2969.
manao tolon'ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso
latina
2970.
valam-parihy tsara hatsaka, ka na ny kely aza mitety tor-kovitra ihany.
latina
Voalohany
Mialoha
97
98
99
100
101
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.134