Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Lakana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Lakana
Hampiditra ohabolana
1.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
yveratsimb
2.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
3.
Lamba rongony fahan-kafotra ka isalakana, manaiki-balahana; itafiana, asampina vao miporotsaka.
soanja
4.
Aza mandeha tsy voizina toy ny lakana mivalan-drano
niryna
5.
Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
jentilisa
6.
Mangetaheta ambony lakana
JMR
7.
Lakana tsy mifidy andriana, ka izay miditra lena avokoa
McFy
8.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.746