Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Madio
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Madio
Hampiditra ohabolana
1.
Mpiatsara ivelatsihy mody madio ohatra ny ranon'i Masay.
oely89
2.
Toy ny tongom-bintsy an'ala, ka madio lavi-drano
yveratsimb
3.
Manasa lamba be tseroka : na madio aza, mangarahara.
yveratsimb
4.
Madio midina, toy ny andevo manasa lamban'Antananarivo.
soanja
5.
Matsabory feno tatamo, madio fa tsy mazava
hery
6.
Ny feon'ny fieritreretana dia madio rehefa mbola tsy nampiasaina
niryna
7.
Ny lambo mena hena fa matanjaka, ny kisoa madio hena fa malemy modaka
aivetinakely
8.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
9.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
10.
Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
niryna
11.
Misy taranaka izay tsy misaotra ny rainy sady manozona ny reniny.misy taranaka manao azy ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
niryna
12.
Ny tenin'Atra dia madio avokoa, ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.
niryna
13.
- Tarôndro nidiavintsarety zegny, maso fo miboliaka fa fô tsy mazava - Matsabory misy tatamo è, madio fa tsy mazava è!
Ambininjanahary
14.
Aza madio ivelany toa tsihy.
niryna
15.
Manasa lamba be tseroka, na madio aza, mangarahara
latina
16.
Manasa lamba be tseroka: na madio aza, mangarahara
hery
17.
Madio manatrika, fa vazi-miamboho toa ravin-tseva
hery
18.
Madio ivelany toy ny fasana
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0686