Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Maizina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Maizina
Hampiditra ohabolana
1.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
yveratsimb
2.
Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana
yveratsimb
3.
Mazava ampidirana tahaka ny vovo, fa maizina ampivoahana.
aivetinakely
4.
Ny olona izay tsy mino afatsy ny tenany ihany dia miaina ao anatin'ny maizina
niryna
5.
Manjelatra amin'ny maizina tahaka ny masompiso, tsy haingo fa adidy hisamboram-boalavo.
aivetinakely
6.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
7.
Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao.
niryna
8.
Mazava ampidirana fa maizina ampivoahana tahaka ny vovo.
aivetinakely
9.
Gena miady amin'ny maizina, ka izay mitsika aloha no vaky vava.
hr9296
10.
Ny mpanota maniry ny andro ho maizina; kanefa ny jamba tsy azo ahoana.
latina
11.
Jamba am-pototry ny jiro, ka maizina anilan'ny mazava
latina
12.
Maizina ny andro, azo tsilovina, lalina ny rano, azo lakanina, lalina ny hady, azo toharina, fa ny ratsy atao tsy mb azon-kevitra.
latina
13.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
14.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
15.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
16.
Aza homa-maizina raha misy fanilo
ftma
17.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0349