Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe adala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
adala
Hampiditra ohabolana
31.
Ady amin'adala, ny manam-panahy no mandefitra
yveratsimb
32.
Adala toa zokim-bomanga, ny lehibe indray no hosen-davenona
yveratsimb
33.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
34.
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
p106
35.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloana ofany aza tsy tia
aivetinakely
36.
Adala ny tia ka ny tompom-bady indray no hafarana
aivetinakely
37.
Ny adala tsy ambakaina zanahary no atahorana
VOARITINA
38.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
39.
Mirirodrirotra toy ny vorodamban'ikala adala
niryna
40.
Fitia te-hanadala sa fitia te-hanandroa? sa fitia safomorona, ny tena fitia tsy mahay miafina
aivetinakely
41.
Hendry anarina ka ny "izaho ve no adala no asesika"
aivetinakely
42.
Aza avela hanoroka anao ny adala ary aza manaiky anaraka ny adalany
niryna
43.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
44.
ny adalan ny hafa ihomehezana fa ny an ny tena tafian-damba
kiriah
45.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
46.
Adala nomen-tanan'ondry, ka na hosoloana hofany aza tsy omeny.
soanja
47.
Ny zana'adala hono tsy itsitsiana tsora-kazo
ionosaoly
48.
tambatambazan-koambakaina, tiana ihany kanefa adalaina Ny Andri-Fara
Rapha
49.
Adala misafidy, tsy ny tsara no raisina fa izay manintona.
aivetinakely
50.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
51.
Ny adala no tsy inoan'teny, na marina aza manahirana
Crionlas
52.
Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra, tanĂ na tsy ilaozan'adala [Rajemisa 1985]
maeva74
53.
Tsiambaratelon'adala, izy ihany no fanalahidiny.
aivetinakely
54.
Safidin'adala, hafa ny anio, miova rahampitso.
aivetinakely
55.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena kosa tafian-damba
niryna
56.
Adala ny tia, ka miaro hatramin'ny faran'ny aina.
aivetinakely
57.
Toky natao tamin'adala ka mampihahaka ny miafina.
aivetinakely
58.
Adala ny tia ka ny tompom-bady no hafarana
aivetinakely
59.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra atahorana
aivetinakely
60.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0354