Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe adala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
adala
Hampiditra ohabolana
61.
Andriamanitra miahy ny madinika fa tsy manary kosa ny adalan-karena ho very
stefcom
62.
Raha adala loholona, dia adala vahoaka
niryna
63.
Tsy ny adala no adala fa ny manadala ny adala
dziana
64.
Ny adala tsy misy fa ny hindrakindrafina no betsaka.
dziana
65.
ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahory
elyzo
66.
Be adala toa reny akoho.
sylvoalias
67.
adala no toa an-drainy
mnm
68.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
69.
Rangahibe no tratr'andro:Rafotsibe no nanadala azy.
niryna
70.
Ny adalanny tena tafian-damba fa ny adalan ny hafa ihomehezana.
sylvoalias
71.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
72.
Ny karavasy ho amin'ny soavaly, ny lamboridy ho amin'ny boriky fa ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala
niryna
73.
Ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany no fijery azy
niryna
74.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
niryna
75.
Aza manao voron'azon'adala.
niryna
76.
Na ny adala aza rehefa tsy miteny dia azo lazaina fa hendry ihany
niryna
77.
Ny tiana ihany no hanarina ary ny adalan'ny tena tafiam-boridamba fa ny adalan'ny olona hihomehezana.
niryna
78.
Ny zanaka hendry mahafaly ny ray, fa ny zanaka adala manome halahelo ny reny
niryna
79.
Na ny adala aza no tsy miteny dia toa hendry ihany
niryna
80.
Manao Andriamani-tsy misy koa manambaka ny adala.
ilanto
81.
Manao Andriamani-tsy misy, koa manambaka ny adala.
ilanto
82.
Adala nomen-dasiray, herinandro mitsinjaka ihany.
ilanto
83.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra mahatahotra
ilanto
84.
Izay adala no toa an-drainy ary ny zafikely taha-draibe.
niryna
85.
Mihena antoerana toa fen'antitra, lany ampitoerana toa volan'adala.
niryna
86.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
87.
Ny hendry mody voky, ny adala misesika ihany.
aivetinakely
88.
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa, fa ny endry kosa manindry fo
niryna
89.
Raha adala ka nanandra-tena hianao, na efa nisaina ny hanao ratsy.Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
niryna
90.
Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra atahorana.
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1791