Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ahay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ahay
Hampiditra ohabolana
61.
Aza manao bokalahy mahay valiha
sylvoalias
62.
Raha nisakana izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
63.
Raha nisaka izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
64.
Raha hianareo no nisihoka voromanga fa raha izahay no misihoka vorondolo
niryna
65.
Aza midera vady mahay mandihy fa aoka ny sandriny no hilaza azy
niryna
66.
Mpamboly mahavokatra tsy mahay mitantana, koa mandadilady hila hanina any amin'ny mpanao mangazay.
ilanto
67.
Miaka-bokatra tsy mahay mitsitsy, varatr'andro vao miasa tsy homan-kanina.
ilanto
68.
Mahay lamba mitafy raha
niryna
69.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny no hilaza azy
rtol
70.
Aza mahay roa tahaka ny lelan'omby, ka sady ambava no ambody.
aivetinakely
71.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary.
aivetinakely
72.
Tsy misy mahay hatrany an-kibondreniny, fa na ny mitan-tsotro aza ianarana.
aivetinakely
73.
Izay manan-tsira mahay mahandro
aivetinakely
74.
Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary.
aivetinakely
75.
5zay manatsira mahay mahandro.
niryna
76.
Ny manana omby manana hena, ny manan-tsira mahay mahandro, fa ny manana olon-kendry manana ny ho mpitondra firenena.
aivetinakely
77.
Mpantsaka mahay mandihy, mahay ihany fa ambanin'ny siny.
aivetinakely
78.
Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
niryna
79.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
80.
Mpandihy lava volon-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny
galix
81.
tiam-bady ka mahay miresaka
latina
82.
Mandia tany naleha hoatra ny fanoron'ny tsy mahay
latina
83.
Mitana ny efa, toy ny mpanjaitra tsy mahay
latina
84.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
85.
Tefin'olon-tsy mahay, ka tsofa no manamarina azy
latina
86.
Sokina mita rano, ny tsy mahay indray no mivonkina
latina
87.
Mpatsaka mahay mikabary: hendry ihany fa tsindrian'ny tavim-bilany
latina
88.
Be ihany no mahay Andrianoly, fa izay manga feo ihany no izy.
latina
89.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
90.
Manan-tsira ka mahay mahandro
latina
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.447