Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ahoana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ahoana
Hampiditra ohabolana
1.
Tsy ahoanao inona izay vavan'olona any, zory andeha amin'ny fahamarinana hatrany ny fiainanao dia ampy
niryna
2.
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana
nestorktv
3.
Nahoana manao amin'ny jamba hoe, jereo amin'ny maso tsy miangatra, na amin'ny moana hoe, ento ny resaka fa ianao no zokiny.
Rakotoaly
4.
Ahoana no reraka am-pototry ny sompitra?
BEDOGAIGY
5.
Ahoana izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy.
BEDOGAIGY
6.
Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo ?
yveratsimb
7.
Nahoana no atao terak'ombin'Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka no ampinonoina?
soanja
8.
Nahoana no maniry manitra hoatra ny boka anaty tapia?
soanja
9.
Na dia tia fahadiovana manao ahoana aza, de tsy fanao ny manasa ravitoto.
aivetinakely
10.
Nahoana no faly asiandratsy toa tsihy.
niryna
11.
nahoana no tompon-tany mantsaka ranom-potaka?
latina
12.
Ny mpanota maniry ny andro ho maizina; kanefa ny jamba tsy azo ahoana.
latina
13.
Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo?
latina
14.
Ny vilany nandahoana no efa nipoaka
latina
15.
Nahoana no ho maty volon'ny ratsy, ka ny soa no ampanirina?
latina
16.
Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
latina
17.
raha vazo mitovy ihany re nahoana no dia hiampita rano?
pandrybe
18.
ravinkazo nanintsana, ka ny lasa tsy azo ahoana, fa ny sisa no ampanirina
zouzou
19.
Sola miloloha voatavo ka tafahoana samy malama.
fily
20.
Nahoana no atao hoe : « Be ny raharaha » ka ny voly vary indray no tsy efa ?
hery
21.
Nahoana no atao hoe : be ny raharaha, ka ny voly vary indray no tsy efa
hery
22.
ravinkazo nanintsana, ny lasa tsy azo ahoana, fa ny sisa no ampaniriana.
jentilisa
23.
Nahoana no mpanefy ka dombo antsy?
jentilisa
24.
Nahoana no fony tanora tsy niala nenina, ka efa tsipolitra antitr vao tia sangy
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1772