Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aloka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aloka
Hampiditra ohabolana
1.
Ankatso sy Ambohidepona hono no mifankahita fa tsy mba miresaka, mifampitazana tsy mba mitafa, ny maraina mifampilongilongy ny hariva mifanakona aloka.
aivetinakely
2.
Ny hasasarana mahamaloka endrika
yveratsimb
3.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
yveratsimb
4.
Aza atao vato tsindry hahazana, karaha maloka ny andro atsipy
yveratsimb
5.
NY fitia toy ny aloka, enjehina mandao andosirana manaraka
kiriah
6.
Manaova tahaka ny akondro, ny kely manotrona ny lehibe, ny lehibe manalokaloka ny kely.
aivetinakely
7.
Aza atao vato antsindry hazana aho ha atoraka rehefa maloka andro.
aivetinakely
8.
Vehivavy tsara bika, ka miherika manaraka aloka.
aivetinakely
9.
Aza atao vato atsindry hazana, ka atsipy rehefa maloka ny andro
aivetinakely
10.
Aza atao toy ny vato tsindry ahazana, ka raha maloka ny andro atsipiny.
niryna
11.
Manalokaloka toy ny razana tsy hitahy.
sylvoalias
12.
Ny volana manakona masoandro no miteraka aloka sy haizina, fa ny masoandro be lohataona no manome hazavàna ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
13.
Hazo nambolena antampotanety, koa sady manome aloka no manome loharano.
ilanto
14.
Ny tenin'Atra dia madio avokoa, ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.
niryna
15.
Manaova toy ny fanirin'akondro, ny lehibe manalokaloka ny kely, ny kely manotrona ny lehibe.
aivetinakely
16.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
Mandefitra
17.
manao azy tsy ho tratry ny aloka ka tratry ny alok'akoho.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1088