Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amalon
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amalon
Hampiditra ohabolana
1.
Be vava nanjono pirina;pirina no azo ka amalona no lazaina nanapa-tady.
Rakoto Mpikabary
2.
Ny amalona aza hono mba miady nefa samy malama, maika fa isika olombelona.
aivetinakely
3.
Amalon'iMoriandro, tsy hain-jaza , tsy haim-behivavy.
aivetinakely
4.
Aza malady hofana toa amalon-kely.
aivetinakely
5.
Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany
yveratsimb
6.
Na fy aza ny amalona , ny lela tsy atao jono
aivetinakely
7.
be vava nanjono pirina ; pirina no azo ka amalona no lazaina fa nanapa-tady
bobone
8.
Mafy hatoka tahaka ny amalon-kely, hanina tsy hahavoky no namoizana ny aina.
aivetinakely
9.
Aza malady hofana toy ny amalon-kely fa tsy mahaela velona.
aivetinakely
10.
Aza malady hofana tahaka ny amalon-kely fa tsy maha-ela velona izany.
aivetinakely
11.
Aza malady hofana tahaka ny amalon-kely fa tsy maha-ela velona izany.
aivetinakely
12.
Tojo ny amalona be menaka hoe ka tsy mahalala zanaka amam-para, ka rehefa kenda dia hoe dony kely aho ranaotra
sylvoalias
13.
Naniraka amalona hatsàka, tonga an-tanindrazany izy de tamàna.
aivetinakely
14.
Matin-kaninkely toa amalona.
aivetinakely
15.
Naniraka amalona hantsaka, afoizo fa tonga an-tanindrazany.
aivetinakely
16.
Aza be siasia toy ny amalona andrano.
niryna
17.
Mifankatia amin'ny amalona;ka nony sendra tia, nabolilany
niryna
18.
Matin-kanin-kely toa amalona
latina
19.
amalon'Imoriandro aho, ka tsy hain-jaza tsy haim-behivavy
latina
20.
za-drano toa amalona antitra
latina
21.
Toa an'ilay jamba nomena amalona: koa amalona, hono, ity, andriamanitra!
latina
22.
Mikapoka amalona am-bovo, misakana ny mbola ho avy
latina
23.
Mifankatia amin'amalona, : ka nony sendra tia, nabolilany
latina
24.
Za-drano, toa amalona antitra.
soanja
25.
Namintana amalona nahazo do, samy vandambandana fa tsy izy
Viky
26.
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono.
hery
27.
Mifankatia amin'ny amalona : ka nony sendra tia, nabolilany
hery
28.
mifankatia amin'amalona; nony sendra tia nabolilany
jentilisa
29.
Aza mila lolotr'amalona amin-kavana
hery
30.
rendrika vao nahazo amalona
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0211