Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe an-tena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
an-tena
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
2.
Mandreran-tena otran'ny alika manenjika môto
Rafalimanantsoa
3.
Jamba misikidy;mahita masoandro ho an'olona,fa tsy mahita ho an-tena.
FENOSOA2
4.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena
yveratsimb
5.
mpanefy tokan-tena ka sady mifofotra no mively vy
bobone
6.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
7.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
latina
8.
Jamba misikidy: mahita masoandro ho an'olona, fa tsy mahita mazava ho an-tena
latina
9.
aza manao fanafodin-dRabetsiafindra: mahay ho an'ny olona, fa tsy mahay ho an-tena
latina
10.
Ny sikidy ratsy tsy amonoan-tena, ny sikidy soa tsy iravoana.
ftma
11.
Sahirana amin'ny zavatra tsy an-tena toy ny akoho nitarika zana-gana!
jajaf401
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0288