Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ankizy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ankizy
Hampiditra ohabolana
1.
Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny Ray aman-dReny no tia tonotono.
patrickmjk
2.
"Raha ankizy tsy hilalao mody ho tanora, raha tanora tsy ho jejo mody ho antitra, raha antitra tsy ampiady karajy mody ho razana, raha razana tsy mitahy mifohaza iady Vomanga."
FidinarivoRakotozanany
3.
Manampoiza ra-voantay,fa teny ambony vato ny ankizy no nangery!
sejianis
4.
Aza manao toy ny laona sy fanoto; Ka izy mivady no miady ka ny ankizy no voatorotoro.
Bita
5.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery.
soanja
6.
Ny krismasy izay fahatsiarovana ilay nahaterahan'ny Mpanjakan'ny fandriampahalemana ary manome basy kilalao ho an'ny ankizy
niryna
7.
Ny ankizy no manao tsingeringerina ka ny lehibe no fanina
kanto1
8.
Mamoiza ry vaotay fa nangery eny ambony vato ny ankizy
Swin
9.
adin'ankizy, maraina miady, hariva miombona
doum
10.
bibilava sinam-botr'ankizy ny foko
doum
11.
Tsingeringerin'ankizy ka ny lehibe avy no fanina.
jentilisa
12.
Bibilava azon'ankizy ka tsy tanana handrangotra na tongotra hitsipaka
jentilisa
13.
ny ankizy no manao ny tsy mety ka ny ray aman-dreny no afa-baraka
jentilisa
14.
izy mivady no miady, ka ny ankizy no voailakilaka sy voa tehamaina
jentilisa
15.
Izy mivady no misaraka, ny ankizy no kamboty velon-dray aman-dreny.
jentilisa
16.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
vale
17.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0374