Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe arahaba
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
arahaba
Hampiditra ohabolana
1.
"Arahabarahabao ny olona , fa tsy fantatra izay horafozanina "
rivaldobessadara19
2.
Manalasala toy ny akoholahy lava sanga, arahabain-tsy andriana avela toa misatroka jaky
lantoariniony
3.
Arahabao izay hita fa tsy fantatra izay ho rafozana.
Ny_Arlinah
4.
Ataovy toy ny volana ny fiarahabana ka raha tsy fenomanana tsy ajanona
aivetinakely
5.
Ny vatolahy antampn-kavoana no arahabaina tsy mba mamaly, atao mbay lalana tsy mba mivolana.
aivetinakely
6.
Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra
yveratsimb
7.
Zaza-hova tsy enin'arahaba, ka mahatsiaro ny asa natao.
soanja
8.
Mangataka arahaba toa zaza-hova.
soanja
9.
Arahabarabao reny foza fa tsy fantatra izay ho rafoza.
litakelinineny
10.
"Arahabarahabao ny mpandalo fa tsy fantatra ze ho rafozana"
Crionlas
11.
MItaitay ho any Ilafy ka tsy misy mpanontany raha mby any Ambohitrarahaba
niryna
12.
Manan-jara ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
13.
Manan-jara mantsy ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
14.
Sahona miarahaba bibilava, ka lozan'ny teny avoakin'ny vavany.
sylvoalias
15.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
16.
Izay tsy miarahaba mpiteraka naman'ny mpamosavy
aivetinakely
17.
Zavarin'ny fitia manan-tombo ka intselo no miarahaba.
latina
18.
Ny fiarahabana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
vato
19.
Salasalany toy y akotrilahy : arahabaina tsy andriana, avela miakanjo jaky.
mandrindra
20.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
21.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
22.
Zavarin'ny fitia manantombo ka intelo miarahaba ihany
jentilisa
23.
Ny tongasoa ihany no arahabain'ny olona
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1032