Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe betsaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
betsaka
Hampiditra ohabolana
1.
Vorivorin`alika, ny hevitra tapaka tsisy fa orokoro-body no betsaka
RIJA08
2.
Vorivorin`alika , ny hevitra tapaka tsisy fa orokoro-body no betsaka
RIJA08
3.
Fivoriana alika ka horokoro-body no betsaka
luc1407fanomezana2
4.
Rano atami-bato ny maniasia no betsaka.
aivetinakely
5.
Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa
niryna
6.
Ny mpamendrofendro no betsaka fa ny tompony mahazaka ihany
niryna
7.
Aza manao fivorian'alika ka ny dinika tsy misy tapaka fa ny orokoroka no betsaka
epsedo
8.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka
niryna
9.
Ny tompon'alahelo leo ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
10.
Ny adala tsy misy fa ny hindrakindrafina no betsaka.
dziana
11.
Miasa amin'Atra, ny karama tsy dia betsaka fa ny fisotrona ronona rahatrizay dia ny miala amin'ity tany ity.
niryna
12.
Tari-drano ankilahila, ny mania no betsaka.
aivetinakely
13.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
14.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka.
niryna
15.
Sahiran-tsaina toy ny saka ambony vatolampy, ny hevitra betsaka fa ny tany hatototra no tsy misy
latina
16.
tongo-bitsika natao lasopy, andrakandrana no betsaka
nalaina
17.
I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
bozycate
18.
Sahobakaka anaty sinibe, ny tetik'ady betsaka fa ny oza-pe no tsy ampy
Falitiana2005
19.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
20.
saobakaka mihanika vatolampy ka ny faniriana betsaka fa ny hozam-pe no tsy ampy
kabarih
21.
Mitari-drano ankilahila ka ny very an-dalana no betsaka
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0194